tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Sport

Fihaonan’ny FTAT sy Mata Dorea Fanambin’ny Hafari Malagasy ny tsy hisiana totohondry

Tratra ny tanjona sy fanamby, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa, fa dia vita soamantsara ankehitriny ny Kianja surprise ety Anosizato atsinanana.

18-nov-2022

Sample post image

Manana lavany 172 metatra ary sakany 60 metatra eo, hoy izy. Isaoran’Andriamanitra nanome fanomezam-pahasoavana satria tsy mora no nanao an’io. Io kianjan’Anosizato, hoy aho, no nampidirana am-ponja ahy ary alaheloko mandra-pahafatiko ny nivarotana an’io. Tsy maintsy mbola handray ny valin’asany ireo tsy mataho-tody izay tsy mino ny fisian’ny tsiny sy tody na tsy nigadra tany am-ponja aza. Miantso manokana ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, satria ny foto-keviny ilay hoe fitiavana tsy misy takalony no nalainay. Herim-po no natosakay tao ary tombanana hatrany amin’ny 17 miliara Ariary any ny vidin’io kianja io. Fantatray tsinona ny fahasimban’ny tanora amin’ny resaka fanendahana, fivarotan-tena, ny fangaronam-paosy noho ny fahasimban’ny kianja teo. Nitombo ny faty olona satria na ny kianja hilalaovana sy hampiray aza tsy nisy intsony teo. Izany fihaonan’ny FTAT sy Mata Dorea izany hatramin’izay lalao rugby miafara amin’ny totohondry foana teto amin’ny kaominin’Antananarivo fa fanambinay izy amin’ity hoe ho atao lalao voalohany mihitsy izany hifehezanay mpijery satria fampihavanana no anton’ny fanatanjahantena. Hanomboka ny alahady izao amin’ny alalana lalao rugby maro moa ny fanokafana ity kianja ity ka anisan’izany ilay lalao voalaza teo, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Tsipy Kanetibe Mafy ireto Betafo ireto
02-juin-2023

Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.

Card image cap
Basket 3x3 Resin'ny Malagasy ny Frantsay
02-juin-2023

Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.

Card image cap
Roro Rakotondrabe « Izay Malagasy ao amin'ny heriny no horaisiko »
01-juin-2023

Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.

Card image cap
Basketball - Ankoay Brezila sy Frantsa indray ny anio
01-juin-2023

Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.

Voir plus