airtel

Sport

17-juin-2024

Filaharana FIFA

Nikatra toerana 6 ny Barea

Sample post image

Taorian’ny fandresena 2 noho 1 nanoloana ny ekipam-pirenena kaomorianina ny 7 jona

17-juin-2024

teo sy ny sahala 0 noho 0 nanoloana an’i Mali, izay sokajiana ho lalao ofisialy satria fifanintsanana ho any amin’ny tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra, dia nahazo toerana 6 ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra eo amin’ny filaharana FIFA na ny fandaharan’ny Federasionina iraisampirenen’ny baolina kitra manaraka. Izany hoe, raha faha 109 ny Barean’i Madagasikara teo aloha dia ho lasa faha 103 maneran-tany. Faha 23 kosa raha faha 25 taty Afrika teo aloha. Ny filaharana CAF indray, araka izany, no resaka eto. Hivoaka tsy ho ela moa izay fanavaozana na «mis à jour» ho an’ny filaharana FIFA izay. Azo lazaina ho mamarana ny varavarakely FIFA rahateo ny tontolon’ny baolina kitra maneran-tany amin’izao fotoana izao ary ny fotoana tahaka izao moa no hisentoana amin’ireo fifaninanam-pirenena isan-karazany sy ny fifaninanana iraisampirenena ho an’ireo klioba ihany koa. Hidirana kosa anefa amin’ireo fifanintsanana sy fifaninanana isan-karazany ho an’ireo ekipam-pirenena, tahaka ireny fifanintsanana ho an’ny tompondaka eran-tany farany teo ireny dia io koa izao fa miditra ny tompondakan’ny Eoropa na ny Euro sy ny tompondakan’i Amerika na Copa America. Any amin’ny fisasahan’ny volana jolay sy fiatombohan’ny volana aogositra any indray, amin’ny ankapobeny, no miverina amin’ny asa mahazatra azy any anaty kliobany ireo mpilalao. Ho avy amin’ny taona 2025 moa ny antsapaka ho amin’ny amboaran’i Afrika na CAN 2025 sy ny fifanintsanana ho amin’izany, raha tsiahivina, ary amin’ny martsa 2025 ihany koa no hitohy indray ny andro faha 5 na ny fanohizana ireo andro miisa 6 sisa amin’ny fifanintsanana ho amin’ny amboara eran-tany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique