rehefa fampivondronana mpilalao. Ny komity olympika mba manao ihany, hoy izy, rehefa anaty fifaninanana na “championnat”. Ny tompondaka nasionaly aza mbola avy aty ny 80%. Tena avy amin’ny karamako amin’ny asa ataoko mihitsy. Tsy maintsy manao “championnat national” nefa ianao amin’ny maha federasionina anao. Efa nofoanana ny kaontin’ny federasionina satria tena nandalo tsy fahampiana be izahay fa lasa akan’ny banky “agios” na ofana kaonty fotsiny. Mbola hananan’ny banky 40.000 Ariary aza ny federasionina izao. Izay no mahatonga ahy hiteny hoe mba mihetseha ianareo ligy isam-paritra fa aza manantena famatsiana avy amin’ny federasionina satria ny federasionina aza tsy mahazo famatsiana avy amin’ny fanjakana. Mbola tsy manana federasionina iraisampirenena koa moa izao ny ady totohondry fa ny CIO no mitantana azy. Izay no mbola tsy ahafahanay manao fifidianana io satria mila manao tatitra any rehefa manao fifidianana. Ny federasionina iraisampirenena no mankato an’iny vao lany ianao. Rosianina ny filohan’ny federasionina iraisampirenena dia iarahantsika mahalala anefa ny adin’I Rosia sy Okrainina. Fampandehanan-draharaha izany aloha no ataoko. Izay no hiangaviako ny minisitera hoe mba jereo re ilay ady totohondry! Hatramin’ny nandraisako ny fitantanana ny taona 2018 hatramin’izao 2023 izao dia tsy mbola nahazo famatsiam-bola avy amin’ny minisitera ny tenako. Mba manantena ny komity olympika sy ny minisitera izahay handray anjara amin’ny fanomanana ny lalao afrikanina sy ny lalao olympika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Mijanona ho mangidy, hoy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea, Nicolas Dupuis, teo am-pahatongavana tao Douala, Cameroun, ny faharesena.
Tsy nisy dinika fa dia lasan'i Fulgence Rakotonirina indray ny fiadiana ny ho tompon-dakan'ny semi marathon notontosaina omaly maraina teto Antananarivo.
Isan'ny zokiny indrindra mbola milalao kanetibe i Davily na Rakotoarinoro William raha ny eto Betafo .Nodimandry ny sabotsy teo izy raha efa 86 taona.
Afa-baraka. Endrika tezitra no hita teny Mahamasina taorian'ny naharesy ny Barea 3 noho 0 omaly alakamisy.
Azo lazaina ho efa naman’ny fanomanana ny CAN 2025 ny lalao miisa 3 farany ho atrehintsika manomboka amin’ny 27 martsa izao,