airtel

Sport

10-mars-2021

Sport

Fitantanana kitoatoa Tandindonin-doza ny baolina kitra Malagasy

Sample post image

Kely sisa dia efa ho tahaka ny angano ilay fietanam-po nateraky ny fisandratan’ny

10-mars-2021

 

Barean’i Madagasikara tany amin’ny CAN Egypte ny taona 2019. AnNkehitriny, manomboka miharihary, fa toa ny olana no betsaka noho ny vahaolana. Ny federasionina (FMF) tsy misy lohany satria nitsoaka any ivelany noho ny fanenjehana azy tsy mifandraika loatra amin’ny baolina kitra I Arizaka Rabekoto Raoul filoha voafidy hitantana ny FMF; ilay komity mpitantana tsy hita be ihany hoe iza no manao inona? Asa lasa bizina ve sisa ny fitantanana ka lasa mikepoka izay azo? Manomboka miharihary ny olana sy ny lesoka, izay ahiana hisy fiantraikany goavana indray any amin’ny vokatra. Tsy vao izao io, saingy miha miharihary indray amin’izao fotoana. Irariana mba ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa ho an’ny ekipam-pirenena, fa raha ny hita taratra avy aty ivelany aloha, dia manomboka miharihary hatrany ny fitantanana mikorosy fahana. Ny kianja goavam-be etsy andaniny amboarina etsy Mahamasina sy any amin’ny Faritra hafa, fa ny baolina kitra miha marary, efa karazana soritr’aretina io mitranga amin’i Lalaina Nomenjanahary io, ny fiantsoana an’I Faneva Ima izay efa nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa tsy hiatrika lalao miaraka amin’ny Barea intsony ary efa natao veloma,... Midika io fa misy fahalemena ao anatin’ny ekipam-pirenena. Ny resaka be miely tsy eto Madagasikara ihany fa hatrany ivelany momba ny mpanazatra Nicolas Dupuis izay mety misy ny fahamarinany na fahadisoany saingy tsy azo hamaivanina. Ny mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasy izay misitraka 75 000 000Ar na 16 700 euros avy amina orinasam-panjakana iray, voalaza fa sady mpanolon-tsain’ny Filoha, Tale teknika nasionaly,… Tena voahasahany sy tsy misy fiantraikany amin’ny ekipam-pirenena ve izany. Farany teo izao, dia nidaraboka ihany koa i Ahmad filohan’ny CAF, tsy afaka ny ho kandida intsony kanefa mba reharehan’ny Malagasy, navesatra ny fiampangana azy izay notondroina ho nanao kolikoly samihafa. Enga anie tsy hisy fiantraikany amin’ny ekipam-pirenena ireny rehetra ireny.

Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Andro vitsivitsy aty aoriana sy ho setrin'ireo fanakianana mivaivay dia nivoatra ny fahanginany ny mpanazatra ny Barea,

Card image cap
28-mars-2024

Vaky ihany ny resaka na nafenina mafy aza. Talohan'ny hiakatra kianja hihaona amin'ny Rwanda

Card image cap
27-mars-2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap