federasionin’ny baolina kitra malagasy na FMF ny herivelona rehetra manodidina ny baolina kitra, hoy ireo kintan’ny baolina kitra malagasy fahiny na «anciens gloires» mivondrona anatin’ny antsoina hoe FMFB na Fiarahan’ny mpitia ho fanavaozana ny baolina kitra. Tokony hisy solontenan’ny mpitsara, hoy ny mpiandry tsatoby tamin’ny fotoan’andro, Andrimady Salomon Charlot. Tokony hisy solontenan’ny mpanabe amin’ny kitra koa, hoy izy. Toy izany koa ireo mpanazatra, klioba, any ho any amin’ny 150 any no tokony ho isan’ny mpifidy. Tokony hianjera ho azy izao izany federasionina izany satria filohana klioba miisa 6 no mpikamban’ny komity mpanatanteraka. Tsy nametra-pialàna tamin’ny maha filohana klioba azy ireo, hoy hatrany izy. Ny taona 2010 no nitsangana ny K2HB na ny Komity hanarina ny hasin’ny baolina kitra, hoy ny filohany, Jean Ignace Randrianirina. Tanaty rafitra tetezamita isika tamin’izany, hoy izy. Teo koa no nanovàna ny rafitry ny fanatanjahantena tamin’ny ankapobeny tamin’ny alalan’ny didim-panjakàna 2010-001. Olom-bitsy no nanova an’io. Saika ireo filohan’ny federasionina no nanova an’ireo lalàna ireo. Nofeheziny hoe tsy mahazo mitsabaka amin’ny andraikitry ny federasionina isanisany ny fanjakàna. Ny lalàna 2000-072 kosa no heritreretina haverina satria amin’izay mba manana zo hiara-hiasa na «droit de regard» ny fanjakàna. Ny 2010-001 dia mamela ny federasionina hanao izay tiany tsy misy fefy fa mety daholo. Fivorivorian’olom-bitsy any ambadimbadika any dia ampy hanapahana zavatra goavana. Tsy omen’ny federasionina zo hiara-hiasa ny fanjakàna nefa angatahany fanampiana. Manampy ny fanjakàna nefa rehefa mangataka ny fanjakàna hoe ao jerenay ny tetibola nampiasainareo tamin’izao fotoana izao na izao fotoana izao dia tsy avelan’ny federasionina ilay izy. Mila jerena sy ahintsy izany. Ny lalàna mifehy ny fanatanjahantena moa 97-014. Misy didim-panjakàna anatin’io. Mila ovaina ny lalàna 2010-001. Mila iverenana kosa ny 2000-072. Nanana ny antsoina hoe «droit de regard» tamin’izany fotoana izany ny fanjakàna dia nanala ny filohan’ny federasionina. Iny no nahatezitra ny FIFA. Tsy afaka mitsabaka ny fanjakàna fa ny tatitra ara-moraly, izany hoe, ny resaka toe-bola kosa dia tokony jeren’ny fanjakàna. Tokony ho afaka manenjika izay mangalatra ao amin’ny federasionina ny fanjakàna! Ny fivoriambe na «assemblée générale» ataontsika eto no hanapahantsika hevitra mikasika ny baolina kitra eto Madagasikara fa ny anjaran’ny federasionina iraisampirenena na FIFA dia ny mankato fotsiny. Tsy misy idiran’ny FIFA ny raharaha anatin’i Madagasikara ankoatran’ny fanalàna olona. Mbola ny martsa 2027 vao manao fifidianana ny FIFA. Efa nandefa taratasy any amin’ny minisitry ny fanatanjahantena, Alain Rasambany, ny K2HB hoe kitiho io 2010-001 io fa tsy mety. Isika mihitsy no manimba ny tontolon’ny fanatanjahantena eto satria te hipetraka elabe eo amin’ny fitantanana, hoy hatrany ny filohan’ny K2HB. Ho an’i Augustin Baovola moa dia tsy afaka ny hanao amboara erantany na amboaran’i Afrika mihitsy isika, hoy izy, raha tsy manao fiadiana tompondaka ho an’ireo tanora manomboka amin’ny latsaky ny 12 taona na U12 fara faha ratsiny.
Nangonin’i J. Mirija