airtel

Sport

31-août-2021

Sport

Fitokanana kianja nahemotra Norahonan-dRajoelina mafy ny FMF

Sample post image

“Misy ny indro kely satria ny zava-dehibe nanaovantsika io Kianja Barea io, dia noho ireto ekipa nasionaly ireto izay nitondra antsika lavitra

31-août-2021

. Ny zavatra mitranga anefa dia efa nisy ny taratasy nosoratan’ny minisitera izay ahafahana manao io lalao io sady ahafahana ihany koa mitokana ny kianja amin’io 2 septambra io”, hoy I Andry Rajoelina omaly 30 aogositra rehefa nigadona teny Ivato niaraka tamin’ny mpanazatra sy mpilalaon’ny Barea. Amin’ny fomba ahoana moa hoe: ny minisitera efa nanoratra taratasy tany amin’ny FIFA, tany amin’ny CAF fa hotokanana io kianja io, ary eto Madagasikara dia tsisy trangana covid-19 intsony dia mba faniriantsika ao anatin’izany fitokanana izany dia mba handray anjara ny vahoaka Malagasy iray manontolo? Alalana avy aiza no ahafahan’ny Federasionina Malagasy hanoratra any amin’ny CAF hoe: 1500 ireo olona angatahanay afaka hijery io lalao io? “Sabôtage” izany, isika samy Malagasy ihany no mifamingana kanefa mba ho reharehan’I Madagasikara. Marina fa mahaleo tena ianareo ao anatin’ny FMF fa aoka kosa tsy hifamingana ohatr’izao, fa izao ilay mahavoa ny Malagasy. Ezaka lehibe no ataontsika, dia ianareo mamingana fotsiny noho fitiavana olona iray, na fitiavana olona roa, dia izao isika Malagasy no menatra eo anatrehan’izao tontolo izao, satria marary ny fonareo raha vita ny kianja. Faly ve ianareo raha feno olona hanatritra ny Barea sy hanohana ny Barea? Ny tianareo izany dia tsy hisy hanatrika ny olona dia hilalao eo fotsiny? Ry zareo anefa nangataka hoe aleo mba hijery ny olona, dia isika indray no manoratra any amin’ny CAF hoe mangataka izahay mba 1500 ihany no hijery, nisy covid-19 aza tany Toamasina mbola afaka nasiana mpijery antsasaky ny kianja. Dia faly ianareo, mitehaka ianareo, fa “félicitations” ho an’ny Federasionina Malagasy”, hoy I Andry Rajoelina nikafara.
“HO HITANAREO NY HAHAZO ANAREO”
“Tsy manisy hasina ny Malagasy, tsy manisy hasina ny mpilalao ianareo FMF, ary melohiko ny zavatra ataonareo. Tsy maintsy hotokanana ny kianja, ary misaotra ny mpanazatra. Handefa teknisianina ny CAF anio. Mbola feno covid-19 aza isika afaka nasiana mpijery ny antsasaky ny kianja tany Toamasina. Faly ianareo “bravo”, tandremo fa mbola tsy vita io zavatra io, fa hitokana ny kianja aloha isika, hatao ny sabotsy 4 septambra izany, hoy I Andry Rajoelina nandrahona. Samuel Eto’o aza any ivelany faly, efa niresaka izahay fony izy teto hoe hanao kianja izanay, ary niteny fa ho avy izy amin’ny fitokanana”, hoy izy. Mbola nampiany aza ny kafara sy fandrahonana hoe “Izay olona iray, roa misompatra, dia fantatro ianareo, ho hitanareo eo ny hahazo anareo”, hoy I Andry Rajoelina nikafara.. Voafehin'ny Filoha sy ny Fanjakana ve ny hoe: manao ahoana izany rafitra federasionina sy ny rafitry sy ny antanan-tohatry ny baolina kitra Afrikanina sy maneran-tany? Tsy afaka nanana fanentren-tena niresaka tamin’ny FMF ve ny Fanjakana dia io rafitra io no nangataka ny hisian’ny mpijery an’aliny? Tena tsara toerana handefa taratasy mivantana any amin’ny CAF ve ny Minisitera? Sa tiana hatao eo ambany fitarihan’ny Fiadidian’ny Repoblika ihany koa ny CAF ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap