airtel

Sport

27-août-2021

Sport

Fitokanana ny Kianja Barea Ho avy eto Madagasikara I Samuel Eto’o?

Sample post image

Manomboka amin’ny 2ora tolakandro ny lanonana fitokanana ny Kianja Barea Mahamasina ny 2 septambra izao, raha toa ka amin’ny 10 ora dia efa hisokatra ny vavahady.

27-août-2021

 Amin’ny 7ora hariva kosa ny lalao goavana andro voaloha’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny “Mondial 2022” any Qatar hifandrinan’ny Barea amin’ny Ecureuils Béninois. Voalaza fa nasaina manokana hanatrika ny fanokanana ofisialy ny kianja ilay Kintan'ny baolina kitra Camerounais Samuel Eto'o, ka andrasana ny mety ho fahatongavany eto na tsia satria mbola tsy nisy ny fampahafantarana izany tamin’ny fomba ofisialy. Tamin’ny andron’I Ahmad Ahmad Filohan’ny CAF dia efa nandalo teto ity mpilalao kalaza fahiny ity tamin’ny novambra 2019 noho izy mpiara-miasa akaiky tamin’I Ahmad Ahmad tamin’izany. Mikasika ny lalao amin’io alakamisy 2 septambra io kosa, dia nambara fa hozaraina maimaimpoana ny tapakila manomboka rahampitso sabotsy 28 aogositra hatramin'ny talata 31 Aogositra eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina ka tsy maintsy mitondra kara-panondrom-pirenena ireo izay haka tapakila, ary entina miaraka aminy maka tapakila izay zaza hanatrika ny fanokanana. Isan’ny adihevitra io hoe: ny Barea voalaza fa sahirana ara-bola, ny fidirana anefa ho maimaimpoana, ny olona vonona handoa vola ho fanohanana ny ekipam-pirenena, ary ho feno foana ny kianja. Maro ihany koa no manantena fa handeha amin’ny fahitalavi-panjakana ny lalao.

Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Andro vitsivitsy aty aoriana sy ho setrin'ireo fanakianana mivaivay dia nivoatra ny fahanginany ny mpanazatra ny Barea,

Card image cap
28-mars-2024

Vaky ihany ny resaka na nafenina mafy aza. Talohan'ny hiakatra kianja hihaona amin'ny Rwanda

Card image cap
27-mars-2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap