airtel

Sport

14-févr-2025

Fitsirihana sy fankatoavana ny kianja Barea

Tsy voahaja ny 75 andro, ahiana mbola ho voatsipaka

Sample post image

Tapitra anio ny fitsirihan’ireo teknisianina roa avy amin’ny CAF sy avy amin’ny FIFA,

14-févr-2025

nitsirika ny kianjan’ny Barea Mahamasina. Nanomboka ny alarobia teo ny fitsirihana, ary mifarana anio, ka hanainga ary hanao tatitra any amin’ny CAF ireo iraka. Aorian’izay vao mivoaka ny fankatoavana na tsia. « Vitantsika tamin’ny 2021 ny kianja ara-dalàna. Ny CAF no nanao ny antoka sy fiarovana na « sureté » sy « sécurité ». Afa-po tanteraka izy ireo raha ny fijeriko azy, ny Fanjakana dia efa niezaka nanatontosa ireo teboka 9, tsy lojika raha tsy mankatoa ny CAF », hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana omaly, hita tamin’ny haino aman-jery. Ny volana martsa izao moa no handray hiatrika lalao 2 ny Barea, tafiditra ao anaty fifanintsanan’ny « Mondial 2026 », ka ny 17 martsa eo no hanafika any Centrafrique, raha toa ka ny 25 martsa no handray an’i Ghana izay andrandraina ny hanaovana azy ao Mahamasina. Raha ny làlanan’ny CAF anefa, ny fangatahana fitsirihana kianja dia tsy maintsy atolotra farafahakeliny 75 andro alohan’ny lalao izay kasaina hampiasana ilay kianja. Midika io fa tsy feno io fepetra 75 andro io noho ny tsy fahamatoran’ny mpitondra ka hisy ve ny fahagagana ? Nitady làlana ambanin’ny tany ny Fitondrana mba hamahana ny olana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Resy nanaoloana an’i Bayern Munich tamin’ny famaranan’ny «Ligue des champions »

Card image cap
02-juin-2025

Vory lanona teny amin’ny EKAR Analamahitsy ny 31 may teo ny fianakaviamben'ny

Card image cap
30-mai-2025

Tontosa ny alin’ny talata teo tao amin’ny kianjan’i Abbé-Deschamps,

Card image cap