tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Sport

Fivoariamben’ny FMF Farany vao nisy ventiny

Tontosa soa aman-tsara ny sabotsy teo tany amin'ny Domaine de l'Ermitage tany Mantasoa ny fivoriambe farany nataon'ny Federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra na ny FMF.

06-mars-2023

Sample post image

Nilatsahan'ny fanahy masina angamba fa niravona toy ny tsy misy ny disadisa teo aloha ka nampisaraka vaky roa ireo mpikambana ao amin'ny komity mpanantantetaka. Niray hina sy niray feo ny rehetra hany ka nandeha tsy novoizina ny fahazoana ny fankatoavana na quitus. Tsy nanangana afatsy ny takelaka misy ny soratra eny ny ligy 22. Fanehoana firaisankina izay nahavaky vava ny filohan'ny Cosafa, Arthur Da Silva, ka niteny hoe tsara alain-tahaka ny Federasiona Malagasy. Nidera toy izany koa ireo roalahy iraky ny FIFA, Ahmed Hiraz sy Sanda Rasoalahenina. Vokany satria samy efa lany daty na ny ligy na ny komity mpanantantetaka dia tonga ho azy tany amin'ny fikarakarana fifidianana ny resaka ary satria efa tena tara dia voafidy io andro io ihany ireo mpikambana telo sy ireo roa fiandry hikarakara ny fifidiana. Raha hanomboka any amin'ny seksiona aloha ny resaka dia fantatra fa hatao ny volana aogositra ny fifidianana ligy raha septambra kosa nt federation. Tsy niandry ela kosa anefa dia nivoaka sahady ny anaran'ireo mety ho filoha hitantana ny FMF.. Ny teboka anefa dia samy misora-tena ho kandidam-panjakana na i Tota Henintsoa Rakotoarimanana izay sady ben'ny tanànan'Andoharanofotsy no filohan'ny Ligy Analamanga sy Alfred Randriamanampisoa izay solombavambahoaka voafidy tany Antsirabe II. Ny fahatelo voaresaka dia i Neypatraiky Rakotomamonjy ilay minisitry ny Paositra teo aloha ary senatera am-perinasa izay notendren'ny Filoha Rajoelina .Adin'ny samy volomboasary izany aloha hatreto raha tsy hoe mitombona ny filazana fa ho kandida koa i Stan Rakotomalala ilay zanaka an-tranon’ ny filoha Ahmad. Ny iraisan'ny rehetra hevitra angamba dia ny fahatsapana fa raha mbola fivoriambe tsy nisy ohatry ny tany Mantasoa iny. Manaiky ny rehetra na FIFA na ny CAF fa nanao ezaka be i Madagasikara, hoy ny filoha ankehitriny Victorien Andrianony. Tena tomombana antsakany sy andavany iny fivoariambe iny. Faradoboka rahateo ilay izy ka tsy nitsitsiana ny tavela tao anaty tahiry.
Legende : Victorien Andrianony, filohan'ny FMF
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Tsipy Kanetibe Mafy ireto Betafo ireto
02-juin-2023

Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.

Card image cap
Basket 3x3 Resin'ny Malagasy ny Frantsay
02-juin-2023

Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.

Card image cap
Roro Rakotondrabe « Izay Malagasy ao amin'ny heriny no horaisiko »
01-juin-2023

Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.

Card image cap
Basketball - Ankoay Brezila sy Frantsa indray ny anio
01-juin-2023

Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.

Voir plus