airtel

Sport

02-mars-2022

Sport

Fivorian’ny komity mpanatanteraky ny FMF “Misy olon-tsotra Malagasy sy vazaha manatrika”

Sample post image

Vao nisy federasionin’ny baolina kitra miisa 2 ny 24 febroary 2022 teo no nandatsahan’ny federasionina iraisampirenena na FIFA sazy,

02-mars-2022

 hoy ny mpisolovava sady mpitantana klioba, Christian Raoelina, nampahatsiahy omaly. Ny federasionina kenianina sy zinbaboeianina izany noho ny fidiran’ny fitondram-panjakana amin’ny raharaha, hoy izy. Sazy an-taonany maro io. Ny eto ny iray dia hoe fitsabahan’olon-tsotra amin’ny federasionina Malagasy nefa tokony ny FMF sy ny FIFA no mifampitantana. Misy antokon’olon-tsotra Malagasy sy vazaha tafiditra anaty FMF. Nivory komity mpanatanteraka Malagasy sisa tavela. Misy orinasa tsotra miara-mivory aminy. Zava-doza izany. Izay no naha voailika mandritry ny fotoana voafetra ny federasionina kenianina. Na filohan’ny repoblika, praiminisitra, minisitra aza tsy mahazo manoratra any amin’ny FIFA mombana raharaha mahakasika ny FMF. Ny komity mpanatanteraka amin’ny alalan’ny sekretera jeneraly no afaka mandefa taratasy any. Ny fitsarana ambaratonga voalohany Malagasy izao no manery ny SG hanao famindram-pahefana. Ahoana no ahafahany manao izany? Raharaham-pirenena ity baolina kitra ity fa tsy an’olom-bitsy. Any amin’ny “comité d’arbitrage” any Soisa, izay fitsarana mitokana, no hitondrana raharaha mikasika ny federasionina fa tsy fitsarana ady madio na fitsarana tsotra eto Madagasikara, hoy hatrany ity mpisolovava ity. Tsy maintsy manaraka ny lalan’ny FIFA ianao vao afaka manintsana mpitantana federasionina sy ligy izany, hoy izy.
J. Mirija
Legende: Miankina amin’ny FIFA tanteraka ny hoavy
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap