airtel

Sport

07-oct-2021

Sport

FMF mifanongana Miditra anaty krizy ny baolina kitra

Sample post image

Miditra anaty krizy lalina tanteraka ny baolina kitra. Mifanongana ny samy mpitantana, ary tena mifamotika.

07-oct-2021

 Nesorina tsy ho mpikambana ao amin'ny komity mpanatanteraka ny Federasiona Malagasy ho an’ny taranja baolina kitra (FMF), sady tsy ho filohan'ny Federasiona intsony Atoa Rabekoto Arizaka Raoul, araka ny tapaky ny fivoriambe tsy ara-potoana teo anivon’ny FMF natao tetsy Mahamasina omaly 06 oktobra, hoy ny tatitra. Tohin’ilay fangatahan’ireo filohana ligy 17 amin’ny 22 ny fiandohan’ny volana septambra, manoloana ireo savorovoro eo anivon’ity rafitra ity io, araka ny fanampim-panazavana. Notapahana nadritra io fihaonana io fa ireo Filoha lefitra 3 no miara-mitantana ny FMF manomboka omaly, ary ireo komity mpanatanteraky ny federasiona Malagasy ny Baolina kitra no hisahana ny fikarakarana ny fifidianana rehetra eo anivon'ny federasiona manomboka any amin’ny seksiona, ligy ary ny federasiona. Raha hiverenana, ny 27 septambra teo no namoahan’ny fitsarana didy hiasa an-terivozona mandritra ny 10 taona ity Filohan’ny FMF ity noho ny raharaham-pitantanana ny CNaPS fony izy Tale jeneraly. Tombanana ho fanamorana ny fanesorana azy ny fanamelohana, taorian’ilay vava navoakan’ny Filoha Rajoelina teny Ivato nandrahona ireo mpikamban’ny FMF sokajiany ho migafy azy hoe: “Fantatro tsara ianareo ireo, tsy ho vita mora io, ho hitanareo ny anareo”…
VALY BONTANA
Tsy niandry ela, ora vitsy taorian’ny famoahana ny fanesorana an’I Arizaka Rabekoto Raoul tsy ho mpikambana ao anatin’ny Komity mpanatanteraky FMF sy ny fanesorana azy tsy ho Filohan’ny FMF, dia nilatsaka avy hatrany ny valy bontana avy aminy. Notsiahiviny ny fanapahan-kevitra N°17-CN/FMF/2019 nanambarana ny naha lany azy ho Filohan’ny FMF ny 24 aogositra 2019, ny fitanana an-tsoratry ny fivoriana maikan’ny Komity mpanatanteraky (CE) ny FMF ny 29 septambra 2021. Namoaka didy fandroahana mpikambana miisa 4 ao anatin’ny Komity mpanatanteraky ny FMF ny Filohany Arizaka Raoul Rabekoto omaly, ka ireto avy ireo olona ireo: Andriamanampisoa Alfred, Raveloarison Erick, Lay Maein Alexandre, ary Andriatsimialona Sandrine Michela. Voalaza ho nanao fandikan-dalàna goavana tamin’ny fanitsakitsahana ny satan’ny federasionina izy ireo, tsy nanaja fitsipika sy ny “code d’éthique”, tsy nanaja izany tamin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny FMF izay niantso Fivoriambe ny 06 oktobra. Voalaza ho nanao izay tsy hisian’ny firaisan-kiana ao anatin’ny CE, tompon’antoka tamina hetsika hoenti-manohintohina sy misompatra ny tanjon’ny Federasionina. Nampiharihary ny fa tsy voafehin’ny fitsipika sy tsy nanaja ny Filohan’ny FMF manoloana ny hetsika hifanakalozana ao anatin’ny tetikasa misy fanelanelana amin’ny FIFA sy ny CAF ho amin’ny fampandrosoana ny baolina kitra, fanalam-baraka ny FMF amin’ny haino aman-jery,… Tapaka ny fampiharana ny sata sy ny voalazan’ny andinin-dalàna 37, 41 ary 41 mikasika ny FMF ka nahilika tsy ho mpikambana ao anatin’ny CE avy hatrany ireo olona 4 ireo noho ny antony goavana, fanapahan-kevitra niraisana sy nankatoavin’ny komity rehetra na “Délibération à l’unanimité” tamin’ny fivoriana ny 29 septambra 2021, hoy io taratasy nosoniavin’ny Filohan’ny FMF Arizaka Rabekoto Raoul, izay mihatra avy hatrany io. Nandefasana izany ny Filohan’ny Repoblikan’I Madagasikara, Minisiteran’ny fanatanjahantena, FIFA, CAF, CE an’ny FMF. Mihenjan-droa tanteraka ny tady .
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap