airtel

Sport

02-sept-2026

FOIRE INTERNATIONALE

DE L'AGRICULTURE

Sample post image

Eny amin'ny CCI Ivato no fotoana ny 10-13 Septambra

02-sept-2026

Raikitra ny Foara iraisam-pirenena ho an'ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono andiany fahavalo izay hifanindry an-dalana amin'ny Festival iraisam-pirenena momba ny sakafo na ny FIG andiany faharoa. Ny datin'ny 10 ka hatramin'ny 13 Septambra ho avy izao no hanatanterahana izany eny amin'ny efitrano fandraisana fivoriambe eny Ivato na ny CCI, karakarain’ny Madavision. Tanjon’ny mpikarakara ny hampahafantatra ireo vokatra ara-pambolena sy jono ary fiompiana mampiavaka an’i Madagasikara hahafahana mamatsy sakafo natoraly sy tsy misy simika ho an’ny mpanjifa. Tafiditra ao anatin’izany ny fitadiavana lalam-barotra ho an’ireo tantsaha mpamokatra sy ireo mpikarakara sakafo. Trano eva manodidina ny 220 isa no hiara-handray anjara amin’izany ka ny 162 isa amin’ireo dia natokana ho an’ny fambolena sy ny jono ary ny fiompiana avokoa. Ministera miisa 2 dia ny Ministeran’ny fambolena sy ny fampanjariana ara-tsakafo ary ny Ministeran’ny varotra sy fanjifana no manohana ny hetsika. Ny mba hahafahana mampivelatra ny toe-karem-pirenena amin’ny alalan’ireo mpandraharaha handray anjara amin’izany no tanjon’izy ireo ankoatra ny fametrahana paikady hahatongavana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Miisa 25.000 isa moa ireo mpitsidika andrasana mandritra ireo 4 andro ireo.
Pati
Légende : Nandritra ny tafa nataon'ny mpikarakara tamin'ny mpanao gazety !
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Vola 9 700 000 Ar nozaraina tamin’ireo 3 voalohany

Card image cap