airtel

Sport

11-avril-2023

Sport

Gazety ara-panatanjahatena Nodimandry i Solofo Ratsifa

Sample post image

Banga iray indray ny tontolon'ny fanaovana gazety ara-panatanjahatena Nodimandry ny sabotsy teo teo amin'ny faha 68 taonany i Solofo Ratsifandrihamanana.

11-avril-2023

Efa narary ela izy fa tsy naharesy ny fandidiana natao taminy dia izao lasa izao. Andrarezin'ny fanaovana gazety ara-panatanjahatena raha i Solofo Ratsifa raha teo amin'ny tennis sy lomano no tena nahafantaran'ny maro azy satria izy no namolavola ireo anabaviny, Bako sy Vola,, ho tonga sangany teo amin'io taranja io. Isan'ireo andrin'i Midi Madagadikara raha i Solofo nefa teo amin'ny MaTV izy no tena nisongadina satria izy no namorona ny fandaharana Mahery ary koa ny fankasitrahana ireo mpilalao nanamarika ny taona tamin'ny alalan'ilay fandaharana Izy ilay Ma Hery. Nanasa anay namany akaiky izy farany teo kay moa dia iny no farany nahitana azy miova tsy toy ny fanaovam-beloma Isan'ireo nasainy teny an-tranony teny Ankadilalampotsy ny tenako satria niara-niasa ela tao amin'ny Midi fa saingy tsy afaka aho noho ny antony tsy azo nanoharana .Tonga teny kosa ireo rehetra mpanao gazety ara-panatanjahatena toa an'i Sylvain Ranjalahy ( Express), Tata Ramboa Michel ( La Vérité), Naina Rabearivony ( TVM), Daniel Randriamaro ( RNM). Ireo rehetra ireo izay mbola tonga nanome voninahitra farany azy ny alatsinainy teo. Nisy fanompoam-pivavahana teny amin'ny FJKM Andrianarivo mialoha ny nanaterana ny nofony teny amin'ny fasan- drazany .Mandria am-piadanana leisy Ratsifa.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Eo amin'ny kihon-dalana ny tantaranny Ladies Makis. Ho fantratra ny 4 ka hatramin'ny 12 may

Card image cap
22-avril-2024

Nanaitra ny maro ny fanambaran'ny Filohan'ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Ratsy ny vokatra tato ho ato ho an’ny AJ Auxerre misy an’ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson,

Card image cap
19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap