airtel

Sport

12-juin-2025

Grand Prix régional du TWENex

Nisongadina i Ravaka Randriamorasata

Sample post image

Nahazo fankasitrahana manokana i RANDRIAMORASATA Ravaka,

12-juin-2025

tanora mpamorona avy eto Madagasikara, taorian’ny nandreseny tamin’ny fifaninanana iraisam-paritra “Grand Prix régional du TWENex – Regional Innovation Challenge 2025”. Fifaninanana notontosaina tao Maorisy tamin’ny 4 jona 2025, ka niara-nandray anjara tamin’ny solontena avy any Kaomoro, Maorisy ary Madagasikara izy. Tetikasa miompana amin’ny famokarana lohamenaka amin’ny alalan’ny fanodinana fako avy amin’ny jirofo no nampiavaka azy. Mampiasa angovo madio ary tsy mitaky fitaovana sarotra io rafitra io, ka natao indrindra ho an’ny tantsaha sy mpamokatra madinika. Tsy vitan’ny manampy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanoloana ny kitay amin’ny fako, fa manampy ihany koa amin’ny fanamorana ny fidiram-bola sy fanalefahana ny vola lany amin’ny famokarana. Araka ny vinavina, afaka miaro ala mirefy 0,23 hektara ny fanodinana fako 33 taonina.
Asmynah Randriamananjara (Mpiana-draharaha)

 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

miezinezina ny Ankoay lehilahy

Card image cap
04-juin-2026

ara-kianja, Mahamasina tsy mety milamina…

Card image cap
04-juin-2026

Ho entitra ny fikarakaràna ny hetsika

Card image cap