airtel

Sport

05-juin-2023

Sport

Grand Rallye de Madagascar Vidy Varotra

Sample post image

Fandresena voalohany ho an'ny ASACM ny lalana

05-juin-2023

Tena hiady ity Grand Rallye de Madagascar Vidy Varotra ity raha jerena amin'ny saina tsy miangatra. Niketrika, tena niketrika ity klioba ity namolavola ity andiany faha 44 ity. Vao manomboka ny 16 jona mantsy dia efa tsy maintsy ho vaky ny ady satria dia feno dia feno ireo lalan-,tsatotra mandritry ny fifaninanana manokana roa voalohany (ES 1 sy ES ,2) .Mody hoe 8,87 km no atao in-droa miantoana fa tena gaigy satria hita ao daloho ireo pitsopitsony maha Rallye ny Rallye. Tena tsara na dia miendrika slalom aza satria dia betsaka ireo toerana azo hanarahana ny lalao. Misy ireo lalana mahitsy tora-tady fa betsaka koa ireo fiolahana. Misy ny fidinana mivaly fiakarana fa misy koa ireo lalana mamakivaky ala. Misy ireo toerana tsy maintsy hitsambikinana ary misy hatramin'ny tetezana kely aza. Eo amin'ilay tanana kely antsoina hoe Ankafotra izany no fotoana ho an"ireo te hijery fampisehoana. Ary raha mbola tsy fantatra hoe iza no tena hifaninana amin'ny ASACM izay hampijoro ireo sangany ao aminy toa an'i Fred Rabekoto, Mathieu Andrianjafy ary Tahina Razafinjoelina dia ny azo antoka dia tsy msintsy misy ny hitsoaka an-daharana sahady io zoma 16 jona. Sanatria hoe manozona fa tena mafy ity Ankafotra ity. Mba tena nahita kosa aloha ny ASACM.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

26-sept-2023

Raikitra ! Na tsy misy federasiona intsony aza na hoe misy fa sahirana amin'ny fifidianana izay ho mpikambana

Card image cap
26-sept-2023

Nidina ifotony ary nanampy ireo solontenan’ny klioba amin’ny taranja rugby izay natao tao amin’ny Kianja Malacam

Card image cap
26-sept-2023

Notanterahina ny alahady 24 septambra teo ny hazakazaka ho an'ny fandriampahalemana na

Card image cap
25-sept-2023

Ho ambohipihaonan'ireo mpilalao kanetibe ny eny amin'ny kianjanlny PAC etsy Ampitatafika ny 4 sy 5 oktobra ho avy izao.

Card image cap
25-sept-2023

Rehefa mitavozavoza manao zavatra dia lasan'ny olona ilay noheverina hitondra ny Barea A.

Card image cap