airtel

Sport

12-janv-2024

Grand Tournoi Analamanga

Hanohitra mafy ny US Pro

Sample post image

Hery vaovao no ho entin'ny US Pro hiatrika ny famaranana ny Grand Tournoi Analamanga

12-janv-2024

ny alahady izao etsy amin'ny kianja Elgeco Plus. Raha ambony latabatra aloha dia tsy misy dinika fa mafy ny Disciples izay misehatra ao amin'ny Pro League, Pure Play Football League mantsy satria izay no nifanarahan'i Alfred Randriamanampisoa sy ry zareo Saodianina. Ny US Pro kosa dia mbola aty amin'ny ligy Analamanga mba tsy hitenena hoe baolim-pokontany. Tandremo anefa fa betsaka ireo hevetina ho sangany no resin'ireto US Pro ireto raha tsy hiteny afatsy ny Elgeco Plus farany teo sy ny COSFA ary ny Mama FC. Mbola mety hanao fahagagana izany ny US Pro raha jerena amin'ireo zava-misy saingy tsy nitazana fotsiny koa ny Disciples fa tena nanomana. Nanamboatra mihitsy aza satria dia misy ireo tanora nantsoiny hanatevin-daharana toa an'i Ludovic sy Nantenaina Messi izay samy aty aloha. Efa sitrana ihany koa i Tendry izay efa Barea ka tena tsara ny famonoam-baolina izay tarihin'i Mando sy Kante. Ny vodilaharana afovoany no ahitana an'ireo Barea dia Tantely sy Andy. Ny baolina anefa borobory ka ho hita eo ihany.
Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap