airtel

Sport

15-janv-2024

Grand Tournoi Analamanga

Lasan'ny Disciples ny vola be

Sample post image

Efa nampoizina fa ho lasan'ny Disciples ny Grand Tournoi Analamanga.

15-janv-2024

Resiny teo amin'ny fandakana penalty ny US Pro rehefa nisaraka ady sahala 1 noho 1 ny roa tonta nandritry ny 120 minitra. Ny US Pro anefa ny nanokatra ny isa tamin'ny alalan'i Ezra izay nanosika ny baolina tao anaty arato tsy misy mpiandry tsatokazo intsony. Nosahalain'i Ludovic tamin'ny loha ny isa teny amin'ny tabilao. Ary tsy niova io isa nandritry ny fanalavam-potoana.Teo amin'ny fandakana penalty anefa no nampiseho ny fananany traikefa ny Disciples ka nahafaty ny baolina dimy i Tendry, Ando Racap, Tantely, Tsilavina ary Tony.Efatra kosa no matin'ny US Pro rehefq tsy nahafaty i Fitahina fa lasa daka savoan-danitra.Lasan'ny Disciples izany ny lelavola 20 tapitrisa ariary izay naloan'i Tota, filohan'ny ligy Analamanga, tolo -botsitra. Na izany aza dia tsy nitsanga-menatra ny US Pro nahavita nanohitra hatramin'ny farany. Ny tsilion-tsofina no nahalalana fa ny fito teny ambony kianja dia mpilalaon'ny USCAFOOT. Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap