izay isan'ny nanemorana ny Pro League ho amin'ny taona ho avy raha efa tokony notontosaina izany hanomanana ny CHAN. Efa tsy nandray anjara amin'ity farany moa ny FMF nohon'ny antony tsy mazava ka dia nanao izay danin'ny kibony ny ligy Analamanga. Azo lazaina sahady anefa fa fahombiazana ny an'ny Disciples FC satria dia ireo ekipa roa OPL sy Espoir no tafita amin'izany ampahaefa-dalana izany. Koa satria araka maka ami'ireo Espoirs ny ekipa zokiny dia inoana fa ho tsaratsara ho azy ireo ny taom-pilalaovana manaraka eo. Ezaka lehibe izany vitan'ity ekipa avy any Betafo ity fa ny somary mampanahy kely dia tena ho sarotra aminy ny mitazona an'i Tendry izay tena mampiaiky ny maro ny fahaizany. Eo amin'ity ampahaefa-dalana ity ihany koa no ahitana ny adin'ny samy loranjy dia ny CFFA an'i Tota tompom-baolina sy ny Elgeco Plus an'ny filohan'ny FMF, Alfred Randriamanampisoa.
Toa izao ny fandaharan-dalao hatao eny aminlny Kianja Elgeco Plus
Sabotsy 16 desambra 12.00 : US Pro # Disciples Espoirs 14.00 : COSFA # Disciples FC Alahady 17 desambra 12.00 :FC Rouge # Ajesaia 14.00 : CFFA # Elgeco Plus
Clément RABARY
Tontosa ny alin’ny talata teo tao amin’ny kianjan’i Abbé-Deschamps,