airtel

Sport

20-juil-2022

Sport

Haiady Moridima Manambatra haiady Malagasy maro

Sample post image

Haiady mampitambatra ny moraingy avy avaratra andrefana sy ny ringa, izay ady totohondry avy any atsimo atsinanana ary ny diamanga avy eto Antananarivo ny atao hoe Moridima,

20-juil-2022

hoy ny mpamorina azy, Maitre Michel Le Dragon. Namorona ny moraingy watsa tany Ambilobe aho ny taona 1980, hoy izy. Nanapa-kevitra ny hanambatra ny haiady Malagasy manontolo aho taty aoriana hisian’ny antsoina hoe “Boxe lutte savate de l’union nationale de Madagascar” dia ny taona 1984-1985 no natambatra io moraingy sy ringa ary diamanga io mba ho lasa MMA na full contact sy kick boxing vita gasy. Antsiranana, Majunga, Tsiroanomandidy, SAVA izao efa manao io Moridima io daholo. Na “kick boxing” na “boxe anglaise” na tompondaka erantany amin’ny aditotohondry na karate na inona mifandona amin’ny Moridima dia matetika 10 segaondra no mitsangana fara faha ela. Ny taona 2008 isika efa nanao ady malalaka na “combat libre” tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kianja mitafon’I Mahamasina. Nifandona ny moraingy watsa sy kick boxing, moraingy watsa sy moai thai, izay samy mandaka. Ny ringa nifandona tamin’ny judo. Ny diamanga nifandona tamin’ny taikwondo. MMA niady tamin’ny Moridima. Diamanga niady tamin’ny Karate. Ny zanako lahy Frederic Le Dragon rouge no tompondaka tamin’izany. Ny DIFAMA na ny Diamanga famokaran’I Madagasikara no nisolo ny Kung fu nofoanan’ny filoha Ratsiraka tamin’ny 1984. Nanapa-kevitra aho hoe aleo alaina ilay voambolana hoe “mamokara ka mamokara hatrany!” ao amin’ny boky mena. Navondroko ho iray ny zava-misy eny amin’ny tantsaha mpamokatra ho toy ny fandaharan’ny Shaolin ka ny “Tigre” lasa “Fourche”, ny “serpent” lasa “angady”, ny “coup de coude” lasa “tsatoka fandisa” sy ny rehetra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Tandindonin-doza ny baolina kitra malagasy. Ambeti-tenin'i Tatseraky Marcellin izany raha tafaresaka taminay izy.

Card image cap
15-avril-2024

Niovaka ny didy tsy azo hivalozana fa tsy mahazo handraisana lalao intsony ny Kianja Barea.

Card image cap
15-avril-2024

Tsy niova ny filaharana taorianan'ny andro fahafito ny Pure Play Football League.

Card image cap