airtel

Sport

30-juil-2025

Hakim Abdallah sy ny kliobany vaovao

Nisy horaisina ny fiakarana kianja voalohany

Sample post image

Herinandro izay no nifindràn’ilay lohalaharana malagasy, Hakim Abdallah,

30-juil-2025

tao amin’ny UTA Arad, divizionina voalohany ao Roumanie eo amin’ny taranja baolina kitra. Tao an-toerana ihany koa moa izy talohan’izao, niaraka amin’ny Dinamo Bucarest, klioba azo lazaina ho isan’ny matanjaka indrindra ao an-toerana. Azo lazaina ho nisy noraisina ihany kosa ny fiakarana kianja voalohan’i Hakim, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Nahavita nanome tolotra tsy azo ivalozana iray ka nampikobana ny araton’ny mpifanandrina izy aloha teto. Mirary ity laharana faha 9 malagasy ity hamokatra tsaratsara kokoa hatrany, araka izany. Hatramin’ny 2027 no faharetan’ny fifanarahany amin’ity kliobany vaovao ity, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique