airtel

Sport

30-mai-2023

Sport

Handball- Faritra fahaenina Lasan'i Madagasikara ny amboara teo amin'ny Juniors sy Cadettes

Sample post image

Vavao mahafaly, tena mahafaly, no nentin',ireo mpilalao handball zazavavy Malagasy avy atsy Afrika Atsimo nandritry ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika Faritra fahaenina.

30-mai-2023

Lasan’ny Malagasy avokoa ny medaly volamena nifaninana Teo amin'ny Cadettes aloha dia nazava ny fandresena nanoloana an'i Malawi satria dia 28 noho 12 no isa teny amin'ny tabilao. Teo amin'ny Juniors indray dia nandresy ny Afrikanina Atsimo ny Malagasy. Somary enjana ny lalao saingy nahatohitra teo amin'ny fiarovantena ny ankizy hany ka niafara tamin'ny fabdresena 17 noho 14. Ny lesona voalohany azo tsoahina dia ny hoe miarin-doha ity taranja iray matoa tonga amin'izay tierana izao. Manginy fotsiny ilay hoe nanoman-tena irery teny Vontovorona tsy nisy mpanampy ireto ankizy ireto nefa dia nahita vokatra tena tsara sy mahavelom-bolo. Fahatelo dia ny fahafantarana fa efa brtsaka amin',ireto no azo alahatra sahady mandritry ny Lalaon'ny Nosy ho avy io. Mendri- piderana ity taranja ity ary tokony ho tohanana. Soson-kevitra ihany ny tokony hanaovana ny Complexe sportif eny Vontovorona ho ivon-toeran'ny fanatanjahantena avo lenta sy toeram-piofanana. Mba ho isan'ny rafitra ho lovain-jafy koa ny zava-bitan'ny Tale Jeneralin' ny CNaPS teo aloha, Arizaka Rabekoto Raoul.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny

Card image cap