airtel

Sport

05-mars-2021

Sport

Hery Bastien Tsy voaantso Barea intsony

Sample post image

Somary nampametra-panontaniana maro ireo mpanaraka ny kitra Malagasy ihany ny tsy

05-mars-2021

 

 

 

 nahitana ny anaran’i Hery Bastien omaly tao anatin’ny lisitr’ireo 29 mirahalahy voaantso hiatrika ny fampivondronana ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra hiomana amin’ny fihaonana amin’ny ekipam-pirenen’i Etiopia sy Niger ny 27 sy 30 martsa izao. Fa inona no antony? Ity laharana faha 10n’ny Barea farany teo ity ve, sanatria, no ilay mpilalao voalaza ho tonga amin’ny fitenin’ny tanora hoe “nanontsana” ny mpanazatra, Nicolas Dupuis, tamina gazety vahiny iray ary nilaza fa marina avokoa ireo nambaran’ilay mpamakafaka frantsay, Romain Molina? Ity mpamakafaka ity moa izay marihina hatrany fa nilaza ny mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasy ho manao kolikoly amin’ireo mpilalao izay maniry hanatevin-daharana ny ekipam-pirenena hatrany. Misy idiran’izay ve anefa no antony tsy niantsoan’i Dupuis an’i Bastien? Ho hita eo ny tohiny fa ny irariana aloha dia mba hahatafakatra antsika fanindroany any amin’ny tompondakan’I Afrika indray izy 29 mirahalahy voafantina omaly ireto.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Tandindonin-doza ny baolina kitra malagasy. Ambeti-tenin'i Tatseraky Marcellin izany raha tafaresaka taminay izy.

Card image cap
15-avril-2024

Niovaka ny didy tsy azo hivalozana fa tsy mahazo handraisana lalao intsony ny Kianja Barea.

Card image cap
15-avril-2024

Tsy niova ny filaharana taorianan'ny andro fahafito ny Pure Play Football League.

Card image cap