airtel

Sport

08-juin-2023

Sport

Hetsika Moto show Tranoheva miisa 60 eo no hampiranty tontolon’ny kodiaran-droa

Sample post image

Ho tontosaina ny 9, 10, 11 jona izao eny amin’ny CCI Ivato ny hetsika fampiratiana goavana momba ny kodiaran-droa na «Moto show».

08-juin-2023

Araka ny fanazavan-drizareo mpikarakara izany tetsy amin’ny Dyve garden Anosivavaka omaly dia hetsika iray lehibe eo ambany fiahian’ny federasionin’ny kodiaran-droa na «motocyclisme» izy ity. Ho avondrona amin’io fotoana io avokoa ireo mpisehatra anatin’ny resaka moto rehetra. Voakasika voalohany amin’izany ireo mpivarotra moto na «concessionnaire», hoy izy ireo. Hampiranty ny moto amidiny ireo. Eo koa ireo orinasa mikirakira sy mivarotra fitaovana mifandraika amin’izany. Handray anjara koa ireo klioba mpankafy izay kodiaran-droa izay. Hisy ny sehatra hifankahafantaran’ireo klioba maro samihafa. Hisy toerana manokana koa hanatontosana fanamby na «challenge» hanaovana fampisehoana mikasika izay fankafizana sy maha fanatanjahantena ihany koa izay resaka moto izay. Tsy ny mpankafy kodiaran-droa ihany fa na ny fianakaviana sy liana amin’ny izany dia asaina avokoa. Efa misy ihany koa ny fiahiana amin’ny resaka ara-pahasalamana ho an’ireo izay sanatria maratra na handalovan’izay tsy fahasalamana izay eny an-toerana ary isan’ny mampiavaka azy ity ny fitontonany miaraka amin’ny fifaninanana «Grand prix d’Italie» any Eoropa ka noho izany dia hisy fanarahana mivantana an’izay koa eny an-toerana. Manodidina ny 60 isa eo ireo tranoheva handray anjara ary tsy ho ferana kosa ny isan’ireo hitsidika, hoy hatrany ny fanazavana. Nomarihina moa fa ireo moto voasokajy anatin’ny antsoina hoe kodiaran-droa sy ny tontolon’izay ihany no hasongadina eny an-toerana amin’ity aloha.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-sept-2023

Raikitra ! Na tsy misy federasiona intsony aza na hoe misy fa sahirana amin'ny fifidianana izay ho mpikambana

Card image cap
26-sept-2023

Nidina ifotony ary nanampy ireo solontenan’ny klioba amin’ny taranja rugby izay natao tao amin’ny Kianja Malacam

Card image cap
26-sept-2023

Notanterahina ny alahady 24 septambra teo ny hazakazaka ho an'ny fandriampahalemana na

Card image cap
25-sept-2023

Ho ambohipihaonan'ireo mpilalao kanetibe ny eny amin'ny kianjanlny PAC etsy Ampitatafika ny 4 sy 5 oktobra ho avy izao.

Card image cap
25-sept-2023

Rehefa mitavozavoza manao zavatra dia lasan'ny olona ilay noheverina hitondra ny Barea A.

Card image cap