airtel

Sport

11-nov-2021

Sport

Hilalao ny Barea anio Ry FMF mianakavy mifanongana

Sample post image

Ora maromaro mialohan’ny hiatrehan’ny Barea lalao any Bénin anio sy ny fifanandrinana amin’i Tanzanie ny alahady

11-nov-2021

izao no raikitra indray ny adilahy sy ny fifanonganan’ireo mpitarika eo anivon’ny FMF (Federasionin’ny Malagasy ho an’ny taranja baolina kitra). Tena hoe : mifamotika sy mifanao « règlement des comptes », ary matetika mialohan’ny lalaon’ny ekipam-pirenena hatrany no hiniana hambolena resabe. Ny 5-6 oktobra no nifanongana ny ekipan’ny Filohan’ny FMF Atoa Raoul Arizaka Rabekoto sy ekipa tarihin’Atoa Alfred Andriamanampisoa Filoha lefitry ny FMF, raha toa ka ny 7 oktobra ny lalaon’ny Barea sy RD Congo. Ahiana indray ny sazin’ny FIFA sy ny CAF, ary mety ho tonga amin’ny fananganana « Comité de normalisation ». Tsy afa-miandry ve ilay “règlement des comptes”-n’ny mpitantana? Ny talata 09 novambra teo, mpikambana miisa 7 amin’ny 11 ao anatin’ny komity mpanateraka indray no nanapaka ny fanalana ny Sekretera Jeneraly sy ny DAF (Directeur Adminisitratif et Financier) eo anivon’ny FMF, ka ny Sekretera jeneraly lefitra no notendrena hisahana an’ireo vonjimaika. Nohamafisin’izy ireo ny fanonganana an’Atoa Raoul Arizaka Rabekoto tsy ho Filohan’io rafitra io sy tsy ho mpikamban’ny Komity mpanatanteraka nanomboka ny 06 oktobra 2021. Tondroina hatrany ho nanitsakitsaka ny sata Atoa Raoul Arizaka Rabekoto, ka miongana, ary ireo Filoha Lefitra 3 dia Atoa Andrianavony Victorien, Andriamanampisoa Alfred, Randrianantenaina Lucien Luc no mitondra. Ny Komity mpanatanteraka ankehitriny no mikarakara ny fifidianana,... Manitrikitrika izy ireo fa tsy manan-kery ny fanapahan-kevitr’ i Raoul Arizaka Rabekoto tamin’ny 5 oktobra mandroaka ireo mpikambana 4 ao amin’ny FMF. Toy izany ihany koa ny fanesorana ny mpanazatra ny Barea teo aloha Nicolas Dupuis tamin’ny 29 aprily 2021, izay ambara fa tsy ara-dalàna sy tsy azo ekena, ka hisy ny fanapahan-kevitra amina fivoriana hatao ny 15 novambra.
VALY BONTANA
Tsy niandry ela ny valy bontana avy amin’i Raoul Arizaka Rabekoto omaly 10 novambra. Mpikambana efa nesorina tao anatin’ny Komity mpanatanteraka i Alfred Andriamanampisoa, miaraka amin’Atoa Erick Raveloarison, Atoa Alexandre Lay Mein, ary Rtoa Sandrine Michela Andriatsimialona araka ny fanapahan-kevitra laharana 12/FMF/2021, natao ny 5 oktobra 2021. Ampahafantarina ny vahoaka fa ny fanapahan-kevitra rehetra noraisina nandritra izany fivoriana ny 9 novambra izany dia tsy manankery avokoa, hoy ny fanambaran’i Raoul Arizaka Rabekoto. Fiarovana ny tombotsoa manokan’ireo izay nanao izany no antony namoahana ireo fanapahan-kevitra ireo ary tsy tokony hanohitohina ny fatrehana ireo lalao goavana amin'ny fifanintsanana ho fiadiana ny Lalao eran-tany Qatar 2022. Noho izany indrindra dia tokony ny fanomanana ny lalao izay hiarovana ny voninahi-pirenena no hifantohana, hoy izy. Miantso fitoniana manoloana ny mety ho fanakorontanana misy ankehitriny, hoy ny Filohan’ny FMF. Nohamafisiny fa tsy misy velively ny fiovan’ny rafitra eto amin'ny Federasiona Malagasy ho an’ny Baolina Kitra, mandra-piandry ny fanapahan-kevitra farany avy amin'ireo rafitra mpiahy, dia ny FIFA sy ny CAF, izay hany manana ny fahefana handray izany fanapahan-kevitra izany, hoy i Raoul Arizaka Rabekoto.

Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap