airtel

Sport

16-janv-2024

Ibrahim Amada

Hamarana ny filalaovany kitra any Azia…

Sample post image

Nivelatra tao amin’ny Akademia ny antsika, divizionina voalohany teto Madagasikara,

16-janv-2024

ny taona 2009 hatramin’ny 2011. Nila ravinahitra tao Alzeria avy eo nandritry ny 9 taona be izao ka nitety ireo klioba sangany nanomboka tamin’i JS Kabylie, AS Khroub, USM Harrach, US Sétif, MC Alger saingy rehefa tonga moa ny fetran-taona tsy maintsy ialan’ny mpilalao mpila ravinahitra ao Alzeria (TTF: 29 taona) ao an-toerana dia voatery nitady firenen-kafa nilàna ravinahitra indray ity kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea teo aloha ity ny taona 2019, taorian’ny tompondakan’i Afrika na CAN 2019, izay tena namiratan’ny Barea tokoa tany Ejipta. Nifindra tany Qatar indray ny tenany, noho izany, ny taona 2019 tao amin’ny Al Khor, divizionina voalohany hatrany. Herintaona taorian’izay ihany anefa dia nifindra tao Al Markhiya sport club, divizionina faharoa tao an-toerana indray. Avy eo dia nifindra tao amin’ny Al Qadisiya, divizionina faharoa, ao Arabia saodita, izany hoe tsy niala intsony tao amin’ny kaontinanta aziatika. Ankehitriny dia heverina fa hamarana ny diany na “carrière” ao Azia tokoa i Ibrahim Amada, izay kapiteny sady avokavoka mpiaron’ny ekipam-pirenena malagasy teo aloha, satria dia nahazo fifanarahana ao amin’ny klioban’i Ratchaburi FC, divizionina voalohany ao Thailand, miaraka amin’ilay lohalaharana malagasy, Njiva Rakotoharimalala, koa. Maro amin’ireo mpitia baolina kitra malagasy koa etsy ankilan’izay no mbola maniry ny hiverenany hanatevina ny ekipam-pirenena indray saingy miankina amin’ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe na Rôrô ihany moa izay. Raha ny tafa farany nifanaovana tamin’i Ibrahim Amada teto Madagasikara dia eo amin’ny faha 35 taonany eo ny lehilahy no miheritreritra ny hijanona amin’izay maha mpilalao azy izay.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique