airtel

Sport

14-mars-2024

Ibrahim Amada

Omaly indray vao mba niakatra kianja

Sample post image

Rehefa tsy hitan’ny karatra nandritry ny 1 volana latsaka teo,

14-mars-2024

sady tsy isan’ireo 11 voalohany no tsy mpanafana seza ihany koa, dia omaly indray vao mba niakatra kianja rehefa nampidirin’ny mpanazatra teo amin’ny minitra faha 88 ilay mpilalao malagasy eo afovoanin’ny kianja, Ibrahim Amada. Nandritry ny fihaonan’ny ekipany dia ny divizionina voalohany atsy Thailand, Ratchaburi FC, sy ny True Bangkok United FC teo amin’ny ampahavalon-dalan’ny Coupe Revo moa io nampidirana azy io. Ny zava-dehibe aloha tao anatin’izany rehetra izany dia nandresy tamin’ny isa 1 noho 0 ny Ratchaburi FC. Heverina fa mbola tsy tafarina tanteraka taorian’ny ratra nahazo azy ity mpilalao malagasy ity hatreto fa etsy ankilan’izay koa anefa dia azo lazaina hoe vaovao ratsy, indrindra, ho an’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra ny mbola tsy fahasalaman’ny lohalaharantsika, Njiva Rakotoharimalala, izay milalao ao amin’ity klioba tailandey ity ihany koa.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap