tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Sport

Ilambo Football Club Hiditra tsikelikely amin’ny sehatry ny matihanina

Ny taona 2021 no niorina ny klioban’ny baolina kitra, Ilambo Football Club na Ilambo FC, klioba iray ao Bongatsara

20-févr-2023

Sample post image

ary nalaina tamin’ny anaran’ny tendrombohitra iray antsoina hoe Ilohalambo izay voalaza fa nahitana ny lohan’ny mpanjaka Ralambo satria tsy nisy loha, hono, ny razan’ity mpanjaka ity nilevina tao ambanin’ny tany tao. Ankehitriny, raha ny fanazavan’ny filoha mpanorina ny klioba, Tsiry Andriamihantasoa, dia mandray anjara amin’ny fifaninanam-pirenena ho an’ny divizionina faharoa sahady ny klioba dia ny Telma coupe de Madagascar sy ny Ligue 2 Analamanga. Sarotsarotra, hoy izy, ny dingana narahina satria tsy mora ny manangana klioba iray eto Madagasikara. Ny tena tanora ary azo lazaina ho klioba zandriny no hiditra sahady anatin’izay divizionina faharoa izay. Eo ny fanomanana ny mpilalao, ny ara-taratasy, ny fitadiavana kianja fa ny zava-dehibe dia ny fahavonan’ny rehetra hiatrika ny fifaninanana aloha. Mbola ny filohan’ny klioba hatreto no miantoka ny filana rehetra na ara-bola io na ara-pitaovana hatramin’ny tambin-karama izay heverina fa hahafahana hiditra tsikelikely amin’ny sehatry ny matihanina ho an’ireo mpilalao. Miisa 60 ny mpilalao, izay mizara 2, eo ilay milalao amin’ny sokajy voalaza teo fa eo koa ireo mandray anjara amin’ny Champions league Atsimondrano. Raraka teo amin’ny ¼-dalana izahay tamin’ny taon-dasa ho an’io fifaninanana voalaza farany teo io. Manana mpikarakara na Staff tekinika toy ny mpanazatra, mpanomana ireo mpiandry tsatoby, mpanoman-tena, mpikarakara ny fahasalamana ihany koa. In-droa isan-kerinandro no manoman-tena hatreto ka ny kianja moa izany dia na eny amin’ny tany malalaka na mihindrana kianja eny amin’ny Elgeco plus rehefa misy fifaninanana ho atrehina, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Legende: Ireo mpitantana ny Ilambo FC
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Tsipy Kanetibe Mafy ireto Betafo ireto
02-juin-2023

Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.

Card image cap
Basket 3x3 Resin'ny Malagasy ny Frantsay
02-juin-2023

Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.

Card image cap
Roro Rakotondrabe « Izay Malagasy ao amin'ny heriny no horaisiko »
01-juin-2023

Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.

Card image cap
Basketball - Ankoay Brezila sy Frantsa indray ny anio
01-juin-2023

Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.

Voir plus