airtel

Sport

02-août-2021

Sport

Iray volana mialohan’ny fampivondronana Mahavelom-bolo ny zava-bitan’ireo mpilalaon’ny Barea

Sample post image

Azo lazaina ho mahavelom-bolo ihany ny vitan’ireo mpilalao Malagasy voaantso nandrafitra ny ekipam-pirenentsika farany teo raha mijery ireo lalao vitan’izy ireo tamin’ity herinandro ity.

02-août-2021

 Rayan Raveloson, izay mitana ny anjara toeran’ny vodilaharana atsy amin’ny Galaxy Los Angeles atsy Etazonia moa iny mbola namono baolina faninefany iny indray. Namiratra ihany koa ny irakiraka afovoanin’ny RS Charleroi, Marco Ilaimaharitra, nandritry ny fihaonana nandresen’izy ireo tamin’ny isa mavesatra 3-0 ny KV Oostende ny fiandohan’ny herinandro teo. Efa miverina amin’ny heriny ihany koa I Thomas Fontaine taorian’ny ratra nahazo azy ary vao avy nandresy ny FC Nante tamin’ny isa 1-0 moa ny ekipany sy Jeremy Morel farany teo. ity farany izay hita ho nilalao tao anatin’ny tanjany tanteraka ihany koa. Santionany amin’ireo vodilaharana sy ny irakiraka afovoanin’ny Barea izay voaresaka izay fa azo lazaina ho nanao ny nataony koa ireo lohalaharantsika raha tsy hitanisa afa-tsy ry John Baggio, izay nampitazonina ny anjara toeran’ny kapiteny ao amin’ny Port FC ao anatin’ny fifaninanam-pirenena tailandey na Thai league sy Loic Lapoussin izay milalao ao amin’ny RU St Gilloise ary avy nandresy an-tanin’olona tamin’ny isa 1-3 nandritry ny fihaonana tamin’ny RSC Anderlecht ka nahavitany tolotra tsara tarehy tao anatin’ny fifaninanam-pirenena Belza.
J. Mirija
Legende: Marco Ilaimaharitra
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap
22-avril-2024

Eo amin'ny kihon-dalana ny tantaranny Ladies Makis. Ho fantratra ny 4 ka hatramin'ny 12 may

Card image cap
22-avril-2024

Nanaitra ny maro ny fanambaran'ny Filohan'ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Ratsy ny vokatra tato ho ato ho an’ny AJ Auxerre misy an’ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson,

Card image cap