airtel

Sport

07-mars-2022

Sport

Jean Marc Koumba Miomana hanangana ny akademian’ny haiady

Sample post image

Miomana hanangana ny akademian’ny haiady na « Académie des Arts Martiaux » eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ilay mpikatroka Kick Boxing,

07-mars-2022

 mpiambina manokana teo aloha ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, Jean Marc Koumba. Nisy ny fiaraha-miasa fohy notontosainy niaraka tamin’ny minisitry ny fanatanjahantena, Mamod Ali Hawel, tetsy amin’ny akademian’ny fanatanjahantena etsy Ampefiloha ny sabotsy teo. Ankoatran’izay tetikasa akademian’ny haiady izay moa dia isan’ny tetikasa goavana iarahany amin’ny minisiteran’ny fanatanjahantena ihany koa andiany fahatelo amin’ny alin’ny haiady na « III ème Nuit des Arts Martiaux ». Nilaza moa ny tenany fa tena nanaitra azy ny fahavononana sy faharisihan’ity minisitry ny fanatanjahantena ity ka tanjona ny hamitana izany rehetra izany mialohan’ny lalaon’ny nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina izay hatao eto Madagasikara amin’io taona 2023 io.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Tontosa ny alin’ny talata teo tao amin’ny kianjan’i Abbé-Deschamps,

Card image cap