taranja ity saingy nisafidy ny hifototra amin'ny maha miaramila azy na dia efa Lieutenant aza ny tenany tamin'ireny fotoana nampamiratra azy ireny. Izy no safidin'ny Tia Tanindrazana haneho hevitra mikasika ity taranja ity.
Nifarana omaly teo amin’ny dingan’ny manasa-dalana ny dian’ny 3x3 Malagasy nandritra ny FIBA 3x3 Wuxi Challenger tany Wixu - Chine
Tia Tanindrazana : Ahoana no fahitanao ny basket malagasy amin'izao fotoana izao ?
Jeneraly José Randrianirina : " Tena nisy fivoarana be dia be ny basket. Ary ny fandraisana anjara tamin'ny Amboara eran-tany ba teo amin'ny 5x5 U19 na teo amin'ny 3x3 séniors dia nampitomba ny fitiavan'ny olona ilay taranja Mety, tena mety aloha hatreto satria mbola nampian'ny federasiona ireo fiadina ny tompondakan'ny Madagasikara teo amin'ny sokajy U14 sy U16 indray izao tena lalana iray makany amin'ny fampiroborobona ny basket eto an-tanana."
Tia Tanindrazana : Fa ny indro kely raha ny U14 etsy Mahamasina no adian-teny dia toa manamaloka an'izany ny fisian'ireo mangala-taona ?
J J.R. : " Tena misy tokoa io zavatra io ary saika hiraisan'ny eto Afrika Ny fitadiavana vokatra eo no ho eo no tena antony fa ny zava-misy dia tsy tazana intsony ireny zaza ireny rehefa lehibe satria voapotsitra mbola kely ka tsy mamaly intsony ny heriny rehefa tena tonga taona Ny mampalahelo eto dia manahena taona ny sokajy zandriny nefa rehefa atao indray hoe misy sokajy 50 taona mihoatra dia mbola misy indray ny mpilalao 40 taona."
Tia Tanindrazana : Inona no heverinao ho tena tombony ho an'ny basket malagasy ?
J.J.R : " Tsy ampihambana no hitenenako fa ity 3x3 ity no mety ho antsika gasy. Ny toa-batana sy ny fahaizana milalao haingana no tena ilaina amin'ny 3x3 ary tena lanana izay ry Elly sy Livio ary Arnol sy Fiary, ireo efa-dahy naharesy ny Frantsay tany Debrecen. Efa tena zavatra lehive izany nandresy an'i Lafrantsa izay satria raha resaka 5x5 dia tena mbola lavitey ny afo ny kitay. Amin'ny 3x3 anefa dia tsy mitady zavatra sarotra fa ny hakingan'ireo mpilalao dia mety lahavita fahagagana Ny indro kely fotsiny, tsy hoe manakina ny mpanazatra Deda Randrianarivelo fa ilaina ihany ny mamaky ny filalaon'ireo mpifanandrina. Misy rafitra tokony apetraka arakaraky ny tetik'ireo mpifanandrina. Na izany na tsy izany dia efa tena tsara ny vitan'ny Malagasy "
Tia Tanindrazana : Ahoana izany ny ho avy momba ny basket malagasy ?
J.J R : " Tena manana ny ho avy isika lanana mpilalao ohatry Mathias M'Madi, Lova Andriatsarafara ba koa Jerry Rabibisoa atsy ho atsy Fa hatreto aloha dia ny 3x3 no azo antoka aty Afrika raha mbola ao amin'ny heriny ry Elly sy ny namany. Mikasika ireto farany momba ny Lalaon'ny Nosy raha ny hevitro dia avelao ry zalahy hijanona hanao 3x3 ihany amin'izay mba azo antoka ny medaly volamena Amin'ny 5x5 mantsy mbola misy La Réunion sy Seychelles ary Maorisy mbola lamoitahotra Asa anefa aloha fa miakina amin'ny Tale Teknika Nasionaly Angelot Razafiarivony izay diso fantatro satria efa niara-niasa tamiko."
Anisan’ireo Malagasy mpitsara iraisam-pirenena eo amin’ny taranja basketball ny ny Jeneraly José Randrianirina.
Nangonin'i Clément RABARY
Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny