airtel

Sport

07-mars-2022

Sport

Jeneraly Lylison – Filohan’ny FMKB ‘’Tsy ataontsika ho sakana ny vola”

Sample post image

Lany ho Filohan’ny Federasionina Malagasy ho an’ny taranja Kick-Boxing (FMKB) ny Jeneraly Lylison de Roland, izay loholona am-perin’asa mitondra lokon’ny TGV-MAPAR amin’ny anaran’ny Faritra Sofia.

07-mars-2022

 Kandida 4 izy ireo no nifaninana tamin’izany, dia i Lylison René de Rolland, Boto Gilbert, Fernand Guy, ary Vital Serge. Taorian'ny latsa-bato voalohany, nahazo vato 5 tamin'ny 9 ny kandida Lylison René de Roland; vato 4 ho an'i Vital Serge. Araka izany, lany ho filohan’ny FMKB i Lylison René de Roland, goverinoran’ny faritra Sofia. Nilaza moa ny tenany tamin’ny propagandy fa "Ny fitiavany ny fanatanjahantena sy ny fiangavian'ny mpankafy maro ity taranja ity no nanosika azy nirotsaka hofidina ho amin'izao andraikitra izao”. "Tsy ho sakana amintsika ny fitaovana na ny vola izay hoenti-manana hampiroboroboana ny taranja, noho ny ezaka hataonay amin'ny fitadiavana mpiara-miasa sy fiofanana any ivelany sy any amin'ireo mety hanohana rehetra", hoy ny fampanantenana. In-dimy mandrotsa-bato ireo filohana ligim-paritra miatrika izao fifidianana izao: filohan'ny federasionina iray, filoha lefitra roa, sekretera jeneraly iray ary mpitam-bola iray. Lany ho filohan’ny rafitra ara-panatanjahantena izany ny mpanao politika Lylison René de Roland, izay azo nosokajiana ho kandidam-panjakana, raha halalinina. Eo am-pelatanan’ny loko volomboasary izany ny fitantanana ny taranja ara-panatanjahantena Kick-boxing eto Madagasikara, ka irariana mba tsy hisy olana intsony ny resaka fifaninanana iraisam-pirenena, toy ny hita tamin’ny taranja iray faramparany teo, izay mianton-tena satria tsy noraharahian’ny fanjakana, mety tsy dia malaza sy notaingenana ara-politika, kanefa dia nisy ny voahosotra ho tompondaka eran-tany sy tompondaka lefitra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap