airtel

Sport

30-août-2021

Sport

Jeux de Melaky 2021 Tonga namafa ny dian-dry Siteny ny Fanjakana

Sample post image

Nifarana ny sabotsy 28 aogositra lasa teo ny “Jeux de Melaky” andiany faha-32 notanterahina tany Maintirano. Tsy toy ny tamin’ny fanokafana tamin’ny 20 aogositra,

30-août-2021

 fa tonga nirodorodo nanao be fiavy ny olom-panjakana nahitana minisitra maromaro mpikambana ao anatin’ny governemanta sy ireo mpikatroka ao anatin’ny Antoko TGV. Raha hiverenana, tsy nahitana na tamingana mpikamban’ny governemanta tany an-toerana tamin’ny fanokafana. Tsy fantatra mazava ny antony. Isan’ny nanatrika izany koa ireo olom-boafidy nahitana an-dry Depiote Siteny Randrianasoloniaiko Filohan’ny rafitry rafitry ny Judo aty Afrika sady Filoha lefitra maneran-tany sy ireo depiote namany, toa an-dry Jean Jacques Rabenirina Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena, Voninahitsy Jean Eugène, Volahaingo Marie Thérèse. Tany an-toerana niaraka tamin’Atoa Siteny Randrianasoloniaiko ny Filohan’ny CAF teo aloha Ahmad Ahmad, ny Pr Alain Djacoba Tehindrazanarivelo, izy mirahalahy ireo izay efa hita tany Toliara tamin’ny fandraisana an’I Siteny Andrianasoloniaiko taorian’ny fahatongavany avy any Afrika. Io depiote io, izay tsikaritra ho tsy levon’ny vavonin’ny fitondrana ankehitriny. Raha tsy hita tany amin’ny fanokafana, dia nanao be fihavy ny mpitondra, mpikamban’ny governemanta maromaro sy olona ambony maro no indray nitontona tany Maintirano, toy ny Minisitry ny mponina Princia Soafilira, minisitry ny asa vaventy Atoa Jerry Hatrefindrazana, ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria Jeneraly Serge Gellé, ny Governoram-paritra Analamanga Atoa Hery Rasoamaromaka,… Toa tonga haneho hery sy hanao kisehoseho hoe: izany ary izahay raha mipoitra. Fiaramanidina 3 be izao no nitondra ny delegasionina, izay toa fihetsika natao hamafana ny dian-dry Siteny Andrianasoloniaiko, Ahmad Ahmad, Djacob Tehindrazanarivelo. Ny mahagaga, toa ireo olona tsy dia misy rohy amin’ny resaka kolontsaina sy fanatanjahantena indray no nipoitra. Ny resaka fandaniana moa izany tsy resahina intsony hoe: mety ohatrinona no lany tamin’ny fanofana fiaramanidina nentina nanaovana fireharehana ara-politika tany Maintirano? Nandalo tany ve ireo sokajiana ho mety mpifandrina ara-politika ka tsy maintsy mamafa ny dian’ireo tany ka tsy hitsitsiana volam-panjakana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap