amin’izao fotoana izao ilay mpanafika malagasy, John Baggio Rakotonomenjanahary. Ny Revo Thai league, izay fifaninanam-pirenena lehibe indrindra eo amin’ny taranja baolina kitra ao an-toerana moa eto no resaka. Na dia mbola aty amin’ny laharana faha 9 aza amin’izao fotoana izao ny Sukhothai FC izay misy an’i Baggio dia azo ambara ho mbola isan’ireo mamiratra ao anaty fifaninanana hatrany ity lohalaharana malagasy ity ary manakoako ao an-toerana hatrany ny anarany amin’ny lalao rehetra izay atrehiny. Mbola namono ny baolina faharoa indray izy nanoloana ny Nakhon Pathom United ny alahady teo ary nandresy tamin’ny isa 3 noho 1.
J. Mirija
Manomboka tafiditra tsara i Rayan Raveloson ao amin’ny BSC Young Boys
Ny alahady teo no niala teto Madagasikara ny mpanazatra vaovaon’ny ekipam-pirenena