Norombahin’i Laura Rasoanaivo mantsy ny medaly volamena ho an’ny fiadiana ka nahavoahosotra azy ho tompondakan’i Afrika sokajy “junior” ho an’ny latsaky ny 70kg. Lavony teo amin’ny famaranana solontenan’i Egipta ka nanazoan’ity solontena Malagasy ny amboara sy ny anaram-boninahitra. Medaly alimo kosa no azon’i Lova Ramahaisoa tao anatin’ny sokajy latsaky ny 73kg, izay midika fa tsy nitsanga-menatra hatrany ny solontena Malagasy. Izy roa ireo moa no solontenantsika tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika tamin’ny sokajy “junior” sy “cadet” ka izao nampiakatra avo ny voninahitr’i Madaasikara izao. Ilaina tohanana sy hatosika hatrany ny atleta hita fa mahomby sy mamiratra tahaka izao, mba ho fitaratry ny hafa, fa tsy tokony ho izay mety ahitana tombony ara-politika na hatao fitaovana ihany no jerena.
Nangonin’i Toky R
Hamoraina ny sidin’ireo malagasy ao Eoropa sy ny manodidina, raha ny fampitam-baovao,
Vaovao mahafaly no voaray avy any Constantine - Alzeria satria dia efa mandray anjara amin'ny fanazaran-tena i Datsiry izay voadona teo amin'ny kitro keliny nandritry ny lalao nifanaovana tamin'i Soudan.
Nizaka ary niaritra ny mafy ireo mpilalaontsika ireo, hoy ny mpamakafaka fanatanjahantena, Mirado Rakotoharimalala,
Miato mandra-pahatapitry ny lalaon’ny nosy aloha ny tompondaka nasionaly 2023 eo amin’ny taranja ady totohondry, hoy ny filohan’ny federasionin’ity taranja ity.
Vola am-paosin’ny filohan’ny federasionina foana no mivoaka, hoy ny filohan’ny federasionina malagasin’ny taranja ady totohondry, Herimamy Rabarisoa,