airtel

Sport

11-avril-2023

Sport

Judo - Afrika Namiratra indray i Laura Rasoanaivo tany Luanda

Sample post image

Fandresena miezinezina roa indray no azon'i Laura Rasoanaivo tatsy Luanda Angola ny faran'ny herinandro teo. Lasany mantsy ny amboara teo amin'ny sojajy juniors latsaky ny 70 kg.

11-avril-2023

Ary dia mbola lasany ihany koa ny teo amin'ny Open séniors tao amin'io sokajin-danja io. Vokany dia tafakatra laharana fahatelo eran-tany eo amin'ny judo juniors izy. Sambany vaonisy Malagasy lasa lavitra toy izany ary isan'ny reharehantska ny zava-bitann'ity zanaky i Luc Rasoanaivo Razafy ity. Raha ny tokony ho izy satria efa fanao ny manome mari-boninahitra ireo mpanao fanantanjahatena mamiratra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena dia tokony omena ny anjara tandrify azy i Laura Raha tsy hoe misy hidiran'ny politika indray ka hoe na dia efa Saïd Bruno Eric aza ny filohan'ny Federasiona dia mbola misy dian-tanan'i Siteny Randrianasoloniaiko ity judo ity. Dia ho tonga amin'izany ve ?
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Taorian'ny nanehoany hevitra sy nilazany ny tsy mety raha ny mikasika ny fifidianana izay ho filohan'ny federasiona

Card image cap