airtel

Sport

23-mai-2024

Judo_Fiadiana ny tompondaka eran-tany

Lavo fa mbola hiarina i Laura Rasoanaivo…

Sample post image

Resin’ilay Danoise Laerke Olsen izay tompondaka lefitra eran-tany tamin’ny 2018 i Laura Rasonaivo androany

23-mai-2024

tamin’ny fiankarany an-tsehatra amin’ny Fiadiana izay ho tompondaka eran-tany tanterahana any Abu Dhabi. Resy tamin’ny «ippon » tao anatin’ny 2 minitra sy 25 segaondra ity judokate Malagasy ity, na teo aza ny ezaka nataony, ary niara-dàlana aminy any an-toerana ny mpanazatra azy Mamy Randriamasinoro. Naneho i Laura Rasoanaivo fa maka lesona ao anatin’ny hirifiry, faharesena, miaina ivelan’ny fahasambarana, miaina ny zava-misy, saingy miarina avy eo. Tsara ny manamarika, fa tafiditra anatin’ny fakana toerana tsara hahafahana miatrika ny lalao olaimpika hatao any Paris amin’ny jolay sy aogositra 2024 iny. Irariana mba ho isan’ireo ho tafita amin’izany ity atleta isan’ny reharehan’i Madagasikara izay namiratra tamin’ireo fifaninana maro, indrindra taty Afrika ity, na teo aza iny vokatra tany Abu Dhabi omaly iny.
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-janv-2025

Nilatsaka ny fanapahan-kevitry ny CAF (Confederation Africaine de Football) omaly 14 janoary 2025,

Card image cap