airtel

Sport

06-déc-2023

Judo Grand Slam Tokyo

Resy avy hatrany i Laura Rasoanaivo

Sample post image

Ny avo lenta avo lenta ihany. Vao nanomboka tokoa mantsy ny Grand Slam Tokyo

06-déc-2023

eo amin'ny taranja judo dia resy i Laura Rasoanaivo. Resin'ny mafy noho izy satria dia fahatelo eran-tany eo amin'ny latsaky ny 70 kg ilay Grika Elisavet Teitsidous ilay nifanandtina taminy. Tsy misy dinika fa izay ilay fiainana ary efa zava-dehibe no nahatonga an'i Laura Rasoanaivo voahasa tamin'ny fifaninana avo lenta toa itony.Ny tena nahafaly dia tafahoana tamin'ireo mpampiofana sy nanome lanja ny judo teto Madagasikara izy tamin'ny fabdalovany tany Japon.Isan'izany ny Sensei Ku Akirakai sy Ryugo Ide ary ny farany teo Tomokazu Iwahou. Telo lahy izay tena nampandroso ity taranja ity ka hatramin'izao ary isan'ny angady nananana ireo andrarezina toa an'i Luc Rasoanaivo Razafy rain'i Laura,Jean Jacques Rakotomalala, Mamy Dingoza, Siteny Randrianasoloniaiko, Antsa Ranjatoson sy ireo maro tsy voatanisa. Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Resy nanaoloana an’i Bayern Munich tamin’ny famaranan’ny «Ligue des champions »

Card image cap
02-juin-2025

Vory lanona teny amin’ny EKAR Analamahitsy ny 31 may teo ny fianakaviamben'ny

Card image cap
30-mai-2025

Tontosa ny alin’ny talata teo tao amin’ny kianjan’i Abbé-Deschamps,

Card image cap