airtel

Sport

02-août-2023

Sport

Judo- Juniors Laharana voalohany eran-tany i Laura Rasoanaivo

Sample post image

Niakatra laharana voalohany eran-tany eo amin'ny Sokajy juniors indray i Laura Rasoanaivo taorian'ny

02-août-2023

nandrombahany ny tompondakan'i Afrika judo farany teto Antananarivo.Voalohany izy ary manana isa 600 raha 496 ny an'ilay Alema Bock Samira. Izany hoe mbola mety eo amin'io toerana io i Laura Rasoanaivo. Ny tanjony moa dia ny mba hahatonga azy any amin'ny Lalao Olympika amin'ny 2024. Mila miezaka izy manenjika isa any amin'ny sokajy seniors. Raha ny herintsainy aloha dia tsy ho sarotra aminy no tody amin'ieany tanjona izany indrindra moa fa raha mbola ho azony indray ny medaly volamena mandritry ny Lalaon'ny Frankofonia eo amin'ny sokajin-danja latsaky ny 70 kg.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Tontosa ny alin’ny talata teo tao amin’ny kianjan’i Abbé-Deschamps,

Card image cap