Resiny tamin'ny famaranana ilay Lituanienne Pileckaite Ugne izay laharana fahaenina eran-tany. Ny hazo no vanon-ko lakana hono dia ny tany naniriany no tsara. Zanak'i Luc Rasoanaivo Razafy sy Edith mantsy i Laura. Samy efa tompondakan'ny Madagasikara izy mivady ireto ka tsy mahagaga raha nanaraka ny diany ny zanany. I Luc rainy aza dia efa lasa lavitra sady mbola vao nisalotra ny anaram -boninahitra maha tompondaka azy teo amin'ny sokajy zokiny. Efa niofana nandritry ny fotoana maro tany Marseille izy talohan'ny nandraisany anjara tamin'ny Lalao Olympika tany Barcelone ny taona 1992. I Edith reniny kosa dia efa nandray anjara tamin'ny fiadiana ny tompo-dakan'ny oniversite tany Brême Alemaina. Fa raha iverenana ny momba an'i Laura dia efa imbetsaka koa izy no tompon-dakan'i Madagasikara. Ary tsy hijanona eo fa tena mety lasa ambony izy amin'ity judo ity indrindra fa atokisan'ny filoha afrikanina Siteny Randrianasoloniaiko sy ny filoha am-perinasa Saïd Bruno Eric.
Clément RABARY
Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.
Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.
Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.
Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.