airtel

Sport

13-avril-2023

Sport

Judo ,- Sokajy Juniors Laharana voalohany eran-tany i Laura Rasoanaivo

Sample post image

Lasa nitana ny laharana voalohany eran-tany i Laura Rasoanavo Razafy taorianan'iny ny fifaninana tao Luanda,

13-avril-2023

Angola, ka nahazoany fandresena teo amin'iny sokajin-danja latsaky ny 70 kilao teo amin'ny Juniors sy ny Séniors izay tena mikaonty amin'ny fandrafetana ny laharana. Faly be aho ary mirehareha koa tonga amin'izao toerana izao, hoy i Laura Rasoanavo taorianan'ny nivoahan'iny vaovao lehibe iny. Mendrika hotsenaina amin'ny fomba manetriketrika ity tovovavy kely tena nitondra avo ny voninahitr'i Madagasikara. Raha ampahaefadalana no vitan'ny Barea CAN sy manasa-dalana kosa ny Barea CHAN ka nanaovana fety makotrokotroka dia tokony tsy latsa-danja amin'izay no hatao an'i Laura Rasoanaivo Razafy. Mandram-piandry izany anefa dia indro omena anao ireo juniors folo voalohany eran-tany. 1) Rasoanaivo Razafy Laura ( Madagasikara isa 500) 2) Bock Samira ( Alemaina isa 466) 3) Zarybnicka Julie ( Tchekoslovakia isa 426) 4) Olaya Brebda ( Kolombia isa 400) 5) Yang Jimin (Korea isa 399) 6) Kowalewska Akeksandra ( Pologne isa 249) 7) Pileckaite Ugno ( Lituanie isa 212). Egableyanova Shekli a ( Ouzbekistan isa 194) 9) Indua Iglesias Noeliz ( Edozgne isa 194) 10) Dengay Elena ( Autriche isa 181) .
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap