dia noraisin'i Siteny an-tanana ny fandehan'i Laura Rasoanaivo any Tadjikistan handray anjara amin'ny fiadiana izay ho tompondaka eo amin'ny sokajy juniors. Raha miandry ny volan'ny Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) hivoaka afaka telo volana mantsy dia tsy hisy raharaha vanona eo. Izao noho ny fanohanan'i Siteny Randrianasoloniaiko izay nampiasa ny laha filoha lefitra ny federasiona iraisam-pirenena azy dia io lasa io i Laura Ary tsy lasa fe lasa fa mbola nomena azy daholo ny karatra mahazo ka natao resaka Saint Michel daholo no mandrafitra ny delegasiona. I Jean Jacques Rakotomalala mantsy bo hitarika ity delegasiona ho any Dusganbe ity ary Arsène Randrianitovina no mpanazatra. Raha tsiahivina ny tantara dia i Jean Jacques sy Arsene ireto no nandrafitra ny ekipa mafy be ny Saint Michel tamin'ny fotoana raha niaraka tamin'i Antsa Ranjatoson sy ny zokiny. Tena mafy ireo ary enga anie mba hainy ny mampita izany ho an'i Laura Rasoanaivo izay eo amin'ny laharana faha efatra eran-tany ao amin'io sokajy latsaky ny 70 kilao io. Misy 38 moa ireo mpifanandrina amin'ity indray mitoraka ity.
Clément RABARY
Na vao lalao tokana aza no vita niaraka tamin’ny mpanazatra vaovaon’ny ekipam-pirenena
Niova endrika tanteraka ny Barea rehefa niraisin'i Corentin Martins sy ny namany.
Nahazo aina kely indray aloha ny baolina kitra Malagasy noho ny vokatra tsara azon’ny Barea A