airtel

Sport

18-avril-2023

Sport

Judo - Tompondakan'ny Madagasikara Lasan'i Luc rain'i Laura Rasoanavo ny amboara

Sample post image

Hifandovana angamba ny fandrobahana ny anarana maha tompondaka eo amin'ny fianakaviana Rasoanaivo Razafy ity.

18-avril-2023

Raha notontosaina ny faran'ny herinandro teo ny fiadiana izay ho tompondaka 2023 eo amin'ny taraja judo dia indroa niakatra lapihazo ity fianakaviana hafa kely ity. Raha efa nampoizina fa tsy hamelan'i Laura ny anarana maha tompondaka eo amin'ny latsaky ny 70 kilao nahatonga azy ho laharana voalohany eran-tany dia tsy namelan'i Luc rainy kosa raha tsy azony ny toerana voalohany teo amin'ny zokiolona latsaky ny 81 kilao raha nandresy ny namany Manitra Razafimanantsoa (HSK). Nanamarika iny fifaninanana iny koa ny fandresen'i Mamy Dongoza Rasolondraibe (HAK) teo amin'ny latsaky 60 kilao sokajy zokiolona ihany. Eo amin'izay adin'ny samy lehibe izay dia ireto misy vokatra vitsivitsy. - 66 kg : Ralevazaha Emilien (FSA) nandresy an'i Rakotomalala Solofo (ASM) - 90 kg : Randriamasinoro Mamy ( ASM) nandresy Hery Sitraka Radoniaina ( CHE) Seniors Vehivavy -70 kg : Laura Rasoanavo nandresy an'i Isilo Aïcha Deborah ( HAK) Lehilahy - 66 kg : Ramanantsoa Tommi (ESCA) nandresy an'i Ramahefarison Rina ( ASM) +109 kg : Lovasoa André ( CCS Toliara) nandresy an'i Rajemisa Tpjo ( ASM) -90 kg: Karamaly Sergio ( CCS Toliara) nandresy an'i Razakandrandria Roberto ( ESCA).
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap