airtel

Sport

20-juin-2023

Sport

Kanetibe Nandravarava indray ny BIC

Sample post image

Nanjakan'ny Bouliste Club Ialatsara (BIC) Ambohimahasoa indray ny fiadiana ny ho tompodakan'i Madagasikara ny faran'ny herinandro teo teny Ivato.

20-juin-2023

Samy Ambihimahasoa mantsy no nanao ny famaranana na teo amin'ny vehivavy na ny lehilahy. Teo amin'ny vehivavy dia Judicaël sy Hasina no nsnilika an'i Odile sy Vony tamin'ny isa 13 noho 9. I Cael sy Hasina izany no hisolon-tena antsika any amin'ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany any Bangkok. Teo amin'ny lehilahy indray dia ry Jacquis Vazaha sy Bary ary Faratiana no nandresy an'i Rams, Iaro ary Jean Jacques tamin'ny isa 13 noho 7 Teo amin'ny juniors indray dia nivoaka sempotra ny C2BA vao nandresy an'i Betafo nahitana an'i Charles, Emmanuel ary Hery tamin'ny isa 13 noho 12 Tafita sy Fanomezantsoa ary Andriatahina izany no handeha any Thaïlande. Teo amin'ny zokiolona indray dua ny Ny BCI no nandrombaka ny anaram-boninahitra nanoloana ny Fanalamanga.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny

Card image cap