airtel

Sport

16-mai-2022

Sport

Kaominina Talatamaty Baolina kitra no nisantar ana ny fankalazana ny fetim-pirenena

Sample post image

Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona ny kaominina Talatamaty.

16-mai-2022

Ny sabotsy 14 mey lasa teo no nisantarana izany izay nosokafana tamin’ny alalan’ny lalao baolina kitra teo amin’ny kianja fanaovam-baolina Maibahoaka. Raha ekipa iray isam-pokontany no nandray anjara tamin’izany teo aloha dia tsy noferana intsony izany tamin’ity taona ity, ahitana ny sokajy vehivavy, ny lehilahy efa lehibe ary ny antonony, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic. Tafakatra 76 isa ireo ekipa manerana ireo Fokontany 12 ka amin’ny 19 jona ho avy izao no hifarana ny lalao. Ankoatra ity lalao baolina kitra ity moa dia hisy ny foaram-bokatra lehibe hotanterahina eny an-toerana entina hanehoana ny vokatry ny tantsaha. Ny 16,17 ary 18 Jona no hanatanterahana izany. Arahin’ny fanaovana didim-paotra maimaimpoana hanampiana ireo Ray aman-dReny manan-janaka lahy izany raha tsy adino ihany koa ny fizarana fanampiana ho an’ireo zokiolona sy fianakaviana sahirana ao anatin’ny kaominina. Hisy kosa ny filaharambe hamakivaky ny tanana amin’ny 25 Jona ho avy izao hanehoan’ireo mpianatra, fikambanana ary orinasa maro isan-tsokajiny ny fahaiza-manaony.
Pati

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Andro vitsivitsy aty aoriana sy ho setrin'ireo fanakianana mivaivay dia nivoatra ny fahanginany ny mpanazatra ny Barea,

Card image cap
28-mars-2024

Vaky ihany ny resaka na nafenina mafy aza. Talohan'ny hiakatra kianja hihaona amin'ny Rwanda

Card image cap
27-mars-2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap