airtel

Sport

12-mai-2023

Sport

Karaté Lasa i Solofo Be , maka toerana i Vazaha ?

Sample post image

Tena efa milamina araky ny fanambaran'i Emile Vazaha Ratefinanahary tokoa ve ny karaté eto Madagasikara ?

12-mai-2023

Raha ny resaka mandeha eo anivon'ny Feferation de Karaté,-Do de Madagascar mantsy dia toa nahazo fankatoavan'ny Union Africaine de Karaté i Émile Ratefinanahary ary mahazo mandray anjara feno amin'ny Lalaon'ny Nosy. Dia tena izay tokoa ve sa natao fitaovana sanatria i Sherif René Ramanintradrasana izay nandalo teto an-tanana ary nampiofana nandritry ny hateloana tao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena tao Mahamasina ka nahavory ireo andrarezin'ny karaté teto Madagasikara izay notarihan'i Ylias Akbaraly, filoha tale Jeneralin'ny Groupe Redland misy ny Sipromad. Iza koa moa raha tena mpiangaly ity taranja ity no tsy hamaly ny fanasana avy amin'i Hanshi René Ramanintradrasana izay manana ny Dan fahafolo Shotokan izay grady farany ambony indrindra. Tao daholo angamba afatsy ireo lohandohan'ny mpisorona avy ao amin'ny Fédération Malagasy de karaté (FMK) izay mbola miady ho lohany saingy efa tongotra mby an-dakana ny an'i Vazaha izay efa nanantateraka fifidianana tany Mahajanga ary dia nijery fotsiny ny tao amin'ny Ministeran'ny Fanatanjahantena satria efa tao anatin'ireo nasaina tao amin'ny hetsika nokarakarain'i Vazaha niaraka tamin'ny Shérif Ramanintradrasana. Aza izay mbola ambadika hataon'i Solofo Andrianavomanana filohan'ny FKM fa hatreto aloha dia vaky roa ny karaté eto Madagasikara. Ary raha mijery ny olona indrindra ireo mpitarika klioba sy ligim-paritra tao Mahamasina sy tany Mahajanga dia efa tonga amin'ilay hiran'i Elidiot hoe Lasan'ny Vazaha.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap