Malagasy, hany tokana nitondra ny fanevam-pirenentsika tany amin’ity andiany faha 18 ity ihany koa ny tenany. Ny sokajin-danja 80kg moa no nandraisan’ity matihanina ao amin’ny klioban’I Bushido, Frantsa, ity. Ny taona 2014 dia raraka vao maraina be, izany hoe, tanatin’ny fiodinana voalohany izay natao tany Los Angeles, Etazonia, I Lova. Nihazakazaka taorian’izay ny fitomboan’ny traikefany ary nahazo ny medaly volafotsy izy ny taona 2019. Nody ventiny kosa ankehitriny ny rano natsakaina ka dia izao lasa tompon’amboara izao. Mirary an’I Lova Randrianasolo hitohy amin’ny fahombiazany hatrany isika mba ho reharehan’ity firenena ity.
J. Mirija