airtel

Sport

23-avril-2024

Kianja Barea

Ho vitaina alohan'ny 15 mey ?

Sample post image

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

23-avril-2024

Midika izany fa misy asa goavana tontosaina ao saingy tsy fantatra hoe asa inona ary iza ny orinasa nahazo ilay tsena. Tsy misy fanazavana mianga rahateo na avy any amin'ny FMF na avy any amin'ny fanjakana. Ny tsilion-tsofina no nahafantarana fa ho vitaina alohan'ny 15 mey izay hatao ao. Ary dia izay no midika fa mieritreritra ny federasiona hanala ilay tsy fankatoavan'ny CAF mba ho azo handraisana ny Comores sy Mali ny volana jona io kianja io. Raha izay no izy dia tena mbola raharaha manaraka ny arabe na dia ny fanavaozana ny bozaka ihany aza noho ny ririnina efa miditra. Ireo vavahady fidirana na ireo tohatra hidinana eny an-kianja dia mety tsy hananosarotra satria manana ny ampy amin'izany ny filoha Alfred Randriamanampisoa. Saingy mbola tsy vatsiana ilay fitaovana fanisana ireo olona miditra (tourniquet) ka io no mety hanahirana kely. Saingy tena ilaina mba ahafantarana ny vola azo marina satria io hatramin'izay no tena fositra nanimba ny baolina kitra eto an-tanana. Tsy an-jaza kosa ny asa miandry sisa satria tsy vita ny fanitarana ny efitra fisoloan'ireo mpilalao akanjo izay asiana fitaovana manara-penitra fa mbola mila vatsiana fitaovana ihany koa ny efitra fitsaboana ho an'ny mpilalao sy ho any mpitsara. Ny farany fa tsy ny kely indrindra dia ny toerana natokana ho an'ny mpanao gazety izay mila tafoina ary indrindra indrindra asiana ireo fitaovana rehetra ampiasainy amin'ny fampitana vaovao. Raha voafaitra toy izany mantsy io dia ho sarotra ho anireo tsy mpanao gazety no hiditra ao eny fa na ireo antsoin'i Siteny Randrianasoloniaiko amin'ny fiteny avy any Atsimo hoe Tsiboko izany hoe ireo milaza mpanao gazety nefa tsy manoratra akory.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap