airtel

Sport

25-août-2021

Sport

Kianja Barea Mahamasina Hotokanana sady handray lalao lehibe ny 2 septambra

Sample post image

Hotokanana ny 2 septambra ho avy izao ny Kianja Barea eny Mahamasina, raha ny fampahafantarana nataon’ny Fiadidian’ny Repoblika.

25-août-2021

Fotoana mifanandrify indrindra amin’ny lalao voalohan’ny Barea amin’ny fifanintsanan’ny “Mondial 2022” hifanandrinana amin’i Bénin ny takarivan’io 2 septambra io. Hanomboka amin’ny 10 ora maraina ny lanonam-pitokanana ny Kianjan’i Barea, izay azo antoka fa ny Filoham-pirenena no hitarika izany. Fampanantenana taorian’ny niverenan’ny Barea avy niatrika ny CAN 2019 tany Egypte ny fanitarana ny Kianja. Ny janoary 2020 no nanomboka ny asa izay nataon’ny orinasa sinoa CSCOD (China state construction overseas development). Nahatratra 77 tapitrisa dolara na 280 miliara Ar teo ny vola natonton’ny Fanjakana tamin’izany, izay niteraka adihevitra maro noho isika tao anatin’ny krizy goavana ara-toekarena sy ara-tsosialy, ary indrindra ara-pahasalamana. Isan’ny nohavaozina ny “gradin” izay afaka handraisana mpijery miisa 40 000 mipetraka, ary novaina ihany koa ny bozaka, ankoatra ireo mpitsopitsony maro ara-teknika, ary eo ihany koa ny ampahany izay naompana amin’ny lafiny ara-barotra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap
18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap