Saika tsikaritra matetika io tao anatin’ireo lalao ofisialy noraisina teo an-toerana. Mbola nitranga indray izany farany teo. Toy izany koa ireo fimaso lehibe na “grand écran” izay tsikaritra fa nizara roa ny sary hita, ohatra, ny alahady teo. Na miseho ny sary amin’ny tapany ambony dia tsy hita ny tapany ambany na mifamadika amin’izay. Tsikaritra ho misy tsy fahafehezana hatreto ny tekinolojia ao Mahamasina. Misy antony tsy mazava ary mampametra-panontaniana hoe mbola tsy nozarain’ireo nanamboatra ny kianja, indrindra, ireo tekinisianina nandrafitra ny rindrambaiko miasa ao anaty kianja ve ny fampiasana ireo fitaovana rehetra ao anatiny ao no manano-sarotra hatrany ny mamaha ny toe-draharaha toy ireny? Efa voaloa daholo indray ve ny volan’ireo orinasa nanao ny kianja izay nampaneno lakolosy ny desambra 2022 teo? Aiza ho aiza ny mikasika ilay 2.674.331,95 dolara voalaza ho 3,46%n’ny saram-panamboarana mbola isan’ny tsy voaloa ? Toy izany koa ny resaka fanonerana ny hetra fanampiny mitentina 1.623.960.785,17 Ariary? Miandry ny fanazavan’ny tompon’andraikitra !
J. Mirija
Mijanona ho mangidy, hoy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea, Nicolas Dupuis, teo am-pahatongavana tao Douala, Cameroun, ny faharesena.
Tsy nisy dinika fa dia lasan'i Fulgence Rakotonirina indray ny fiadiana ny ho tompon-dakan'ny semi marathon notontosaina omaly maraina teto Antananarivo.
Isan'ny zokiny indrindra mbola milalao kanetibe i Davily na Rakotoarinoro William raha ny eto Betafo .Nodimandry ny sabotsy teo izy raha efa 86 taona.
Afa-baraka. Endrika tezitra no hita teny Mahamasina taorian'ny naharesy ny Barea 3 noho 0 omaly alakamisy.
Azo lazaina ho efa naman’ny fanomanana ny CAN 2025 ny lalao miisa 3 farany ho atrehintsika manomboka amin’ny 27 martsa izao,