airtel

Sport

23-nov-2021

Sport

Kianja Barea Mahamasina Nitaky ny volany 17 tapitrisa dolara ny Sinoa

Sample post image

Niparitaka tamin’ny tambazotra facebook omaly 22 novambra ny fampahafantarana an-tsoratra nataon’ny orinasa sinoa CSCOD (China Construction Overseas Development Madagascar SARL)

23-nov-2021

 ny 01 novambra 2021 fa misy ampaham-bola mitentina 17.321.614,90 dolara tsy mbola voarainy avy amin’ny mpanakarama azy nanamboarana ny Kianja Barea Mahamasina, ka tsy ahafahany manefa ny volan’ireo mpamatsy entana azy, na teo aza ny taratasy in-droa miantoana fampahatsiahivana nataon’ity orinasa ity ny 19 oktobra sy ny 25 oktobra 2021. Vokany, nilaza hanapaka ny fandefasana ireo jiro manazava ny kianja, toy izany koa ny fitsirihana (surveillance) ary ny kaomandy mandefa ny « écran géant » etsy Mahamasina. Ny 08 Novambra 2021, kosa no nandefa taratasy valin-kafatra ho an'ity orinasa sinoa ity ny fanjakana malagasy tamin'ny alalan'ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny tetikasan'ny Filoha fa mbola amin'ny 30 Novambra 2021 no fe-potoana fiafaran'ny asa voasoratra ao anatin'ny fifaranarahana, ka tsy azo ekena ny fikasan'ny CSCOD hanapaka ny "système de contrôle" ao Mahamasina. Nilaza ihany koa fa handray lalao iraisam-pirenena ny Kianja ny 15 novambra 2021 ary hanatrika izany ny Filohan'ny Repoblika ka ho fahafaham-baraka ho an'i Madagasikara sy ho an'ny Filoha raha sanatria tokoa ka ho tapahan'ny CSCOD ary tsy mandeha ny "Système de surveillance" sy ny "Eclairage" ary ny "écran géant" ao amin'ny kianja. Mety hiafara avy hatrany amin'ny fanapahana ny fifanarahana sy fitsaharan'ny fandoavana ny ambim-bolan'ny orinasa avy hatrany ny fanatanterahan'ny CSCOD ny fampahafantarana nataony ny 01 Novambra ity, hoy ny valin-kavatra. Mahakasika ny fandoavana ny volan'ity orinasa sinoa ity kosa dia nilaza ny fanjakana malagasy fa mbola tsy dila ny fe-potoana faharetan'ny asa izay mifarana amin'ny 30 Novambra 2021, ary manaraka ny rafitra isan'ambaratonga ny fandoavana io vola io izay eo tantanan'ny Ministeran'ny teti-bola ary eo ambany fankatoavan'ny Filoha. Nangataka fiaraha-miasa tamin'ity orinasa sinoa ity moa ny fanjakana malagasy mba tsy hampiharan'izy ireo ny fepetra saika noraisin'izy ireo ny 01 Novambra 2021. 77 tapitrisa dolara moa no voalaza fa teti-bidin’ny Kianja Barea, ary nolazaina fa volam-panjakana madiodio.


EFA FAHITA, TSY MAHAGAGA…
Raha zohiana, te haneho ilay orinasa sinoa fa efa vita ny asa ao Mahamasina, ary nitaky ny volany sy nanenjana izy ireo, saingy manana ny heveriny fa rariny ihany koa ny Fanjakana eo anatrehan’ny hoe : amin’ny 30 novambra ny fe-potoana faharetan’ny asa. Na izany na tsy izany, tsy vaovao ny tsy fahaloavana volan’olona ara-potoana, ka maro ny mampifandray azy amin’ireo olana hafa, tsy mahagaga izany toy fa ny volan’ireo mpandraharaha nanao làlana herintaona tsy voaloa. Efa mandeha ny fitakiana am-bolana maro vao hoe hanangana komity handinika sy hanamarina ny asa vita. Tsy ny resaka fotodrafitrasa ihany fa sehatra maro no nisy grevy izay vao hoe: hovahana ny olana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap